Songadim-baovaoSosialy

RAHARAHA AMBOHIMALAZA: Hiatrika fanadihadiana tsy ho ela ny tompom-pety sy ny fianakaviany

Niloa-bava mikasika ilay raharaha fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty olona maro tao Ambohimankakely, sampanan’Imerinkasinina, ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny faran’ny herinandro lasa teo, manoloana ny adihevitra mandeha etsy sy eroa amin’izao fotoana. Nambarany tao anatin’ny fampahafantarana nataony io, fa mitohy ny fanadihadiana tanterahin’ny eo anivon’ny Fitsarana, izay iaraha-miasa amin’ireo sampan-draharaha samihafa mpanao fanadihadiana mikasika ity raharaha mbola mitàna ny sain’ny maro ankehitriny ity. Tsy ho ela ihany koa dia hiatrika fanadihadiana ny tompon’iny fankalazana fitsingerenan-taona nahaterahana iny sy ny fianakaviany, manoloana ny fisiana fitoriana mikasika azy ireo, raha ny nambaran’ny Minisitra. Notsindrian’ny Minisitra, fa tsy manana olona na iray aza, arovana mikasika ity raharaha ity ny Fitondram-panjakana eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika. Izy tenany, izay nomarihany ihany koa, fa manome toromarika ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany (TPI) eto Antananarivo, fa izay rehetra tokony ho antsoina hanaovana fanadihadiana manodidina ity raharaha ity dia tsy maintsy antsoina avokoa. Anisany toromarika faharoa nomena ity tompon’andraikitra voalaza eo anivon’ny TPI Antananarivo ity ihany koa, ny hanafainganana arak’izay azo hatao ny fanadihadiana ka hirosoana amin’ny Fitsarana ady heloka bevava (Cour criminelle ordinaire). Raha azo atao ihany koa dia hiantsoana mpanao gazety hatrany izany, raha azon’ny besinimaro hatrehina ihany koa, ny raharaham-pitsarana ady heloka bevava rehetra. Nanamafy ny teny fampiononana ireo fianakaviana mana-manjo sy ny fankaherezana ho an’ireo mbola andalam-pitsaboana, ny Minisitry ny Fitsarana.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer