Trangam-piaraha-monina
RAHARAHA AMPANIHY : Novangian’ny fianakaviamben’ny Zandarimaria ireo naratra
Notsidihin’ny fianakaviamben’ny Zandarimaria ireo zandary roa naratra omaly, teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana. Izy ireo izay naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tany Ampanihy Miandrivazo. Nahatratra 10 ireo dahalo lavo, raha 11 kosa, ireo azo sambo-belona…

Novangian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny Jly Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo mpiara-miasa aminy omaly maraina, tetsy amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, ireo zandary roa lahy, voatifitry ny dahalo tany Ampanihy Miandrivazo.Nankahery sy nanome « primes de bravoure », ranom-boankazo ary nanambara ny fanomezana « bonification d’ancienneté en port de grade » ny Seg. Tsy nohadinoany koa ny nilaza ny fahafahan’izy ireo misafidy ny toerana tiany hiasany, aorian’ny fahasitranany. Namerina ny fisaorana sy fankasitrahana ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tamin’ny fanomezana angidimby nanavotana ny ain’ireo zandary naratra avy any Ampanihy, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Tsy nohadinoany ny nisaotra ireo tomponandraikitry ny Hopitaly miaramila, izay mandray an-tanana tanteraka ny fitsaboana ireo marary. Nahitsy ny Seg, Jly Ravalomanana raha nilaza ny fanakianana tontosain’ireo mitonona ho miaro ny zon’olombelona.
« Aoka tsy hohakiviana ny mpitandro filaminana amin’ny asa sahaniny. Efa tsy fidiny ny mamono ireo olon-dratsy fa tsy maintsy miaro tena ireo mpitandro filaminana », hoy hatrany ny Minisitra.

Raha tsiahivina, nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny zandary, tany amin’ny faritra Ampanihy, Miandrivazo. Dahalo 10 no indray lavon’ireo zandary ary 11 hafa voasambotra. Ny ambiny mbola afa-nitsoaka na dia naratra aza. Isan’ireo naratra nandritra ny fifandonana izy roa lahy notsidihina omaly maraina ireo. Nandray andraikitra avy hatrany ny Fibaikoana foiben’ny Zandarimariam-pirenena ka nalaina tamin’ny angidimby ho aty Antananarivo ireo naratra, ary nohamafisina ny fitadiavana ireo dahalo ambiny.




