PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA ANDOHAN’I MANDROSEZA : Fanafihan-jiolahy no nosakanana”, hoy ny Zandary
Nitondra fanazavana mikasika ilay fifampitifirana teny Andohanimandroseza, ny talata 21 novambra lasa teo ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Nambara tamin’izany, fa tena asan-jiolahy no nisy tamin’io fotoana io, ary fahadimy tamin’ny fanafihana notanterahin’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Nisy koa olona dimy voasambotra, ahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’iny fanafihana iny…
Nilaza mazava ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, omaly, teny amin’ny toby Ankadilalana, tamin’ny alalan’ny Kaomandin’ny Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga, Kokonely Raoilijon Tojo, fa tena asan-jiolahy no nitranga tamin’io andron’ny talata 21 novambra lasa teo io. Maro ny resabe miteraka adihevitra anaty tambajotran-tserasera, izay nitondran’izy ireo fanitsiana sy fanazavana. Nambaran’ny zandary, fa efa narahina nandritra ny fotoana elaela, izany hoe nanomboka tamin’ny 31 oktobra 2023 ity fiara marika “Land Cruiser” miteraka resabe nanomboka teny Andohanimandroseza ity. Fantatra, fa efa nisy fanafihana efatra nisesy nataon’ireo jiolahy tao anatin’iny fiara iny. Ny voalohany teny Anosiala, ny datin’io 31 oktobra 2023 io. Faharoa, ny 02 novambra teny Ankadikely Ilafy, fahatelo teny Bongatsara, ny 14 novambra, ary ny fahefatra dia ny 19 novambra, teny Amborompotsy Talatamaty. Nomarihan’ny Zandarimaria hatrany, fa nitondra fitaovam-piadiana hatrany ireo jiolahy nanatanteraka ireo fanafihana voalaza ireo, miaraka amina taratasy hosoka, toy ny avy amin’ny Bianco, Fiadidiana ny Repoblika, izay entin’izy ireo miditra an-keriny ny tranon’olona hotafihiny. Rehefa tafiditra amin’ny alalan’ireo taratasy hosoka izy ireo, dia mamoaka basy avy hatrany, ary mampihorohoro sy mandroba ny fananan’ny lasibatra. Nahitana zavatra maro tao anatin’ny fiara “land cruiser” iny. Anisan’izany ny fitombokase hosoka miampy antontan-taratasy maro, karapanondro hosoka miisa dimy, “flash disk” vitsivitsy, firavaka volamena, vola madinika niparitaka, basy miisa enina miampy taim-bala sy tranom-bala (cartouche) feno bala. Nomarihan’ny zandarimaria hatrany, fa ireo fitaovana toy ny firavaka dia an’olona notafihan’izy ireo talohan’ny raharaha Andohanimandroseza. Fantatra kosa, fa fanafihana voasoroka iny teny an-toerana iny, raha mbola tsy fantatra hatreto, izay tena toerana nokasain’ireo jiolahy hotafihina tamin’io andro io. Rehefa narahi-maso mialoha io fiara “Land Cruiser” io dia hita teny Ambanidia, ny marain’ny 21 novambra io, talohan’ny nahatraran’ny zandary azy teny Andohanimandroseza, izay nisiana fifampitifirana iny, hoy hatrany ny tatitry ny Zandary. Dimy lahy no indray lavo teo noho, raha tafaporitsaka niaraka tamin’ny basy “Kalachnikov” ny telo naman’izy ireo.
Mpitandro filaminana am-perinasa iray miampy lehilahy roa sy vehivavy roa…
Vokatry ny fanadihadiana avy tamin’ny alalan’ireo zavatra maro hita tao anaty fiara sy teny amin’ireo jiolahy lavon’ny bala dia nisy olona miisa dimy voasambotra, ahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Mpitandro filaminana mbola am-perinasa, saingy efa tao anatin’ny vondrona FIS ny iray, izay voalaza fa atidoha nikotrika ireo karazana fanafihana mitam-piadiana teto Antananarivo, no safy mpamatsy fitaovam-piadiana. Teo koa ny lehilahy iray efa Mpitandro filaminana mpamerin-keloka amina asan-jiolahy, ary efa voafonja teny Tsiafahy. Sivily iray efa nisazy teny Antanimora, niampy vehivavy miisa roa. Mbola anatin’ny fanadihadiana tanteraka mikasika ity raharaha ity ny Zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana, ary eo am-pamaritana ireo olona telo tafaporitsaka, raha ny voalazan’ny Kolonely Raoilijon Tojo, saingy manoloana ny fampifandraisan’ny sasany resaka politika azy no antony nitondrana fanazavana. Namafisiny tamin’izany koa, fa tsy misy hifandraisany amin’ny Antenimierampirenena ireo olona lavo teny Andohanimandroseza. Nanamafy ny tokony hahaizan’ny rehetra mifehy ny tambajotran-tserasera ny Zandarimariam-pirenena, mba tsy hilaza vaovao tsy marina sy tsy voaporofo.
Stan R.




