PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA APOLLO 21 SY “NOSY MALAGASY”: Ho avy eto Madagasikara ny Lehiben’ny Diplomasia frantsay ?
Ny fampahalalam-baovao vahiny tao amin’ny www.africaintelligence.fr no nampahafantatra fa ho avy eto Antananarivo, Madagasikara ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Frantsay Cathérine Colonna, any amin’ny faraparan’ny volana aprily izao. Fitsidihina izay hifanindran-dalana amin’ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Agence Français de Développement (AFD) sy ny Fanjakana malagasy. Tombanana hihaona amin’ireo teratany frantsay, sy ny Masovohon’i Frantsa miasa sy monina eto amintsika, andriamatoa Arnaud Guillois ny tenany. Tsy maintsy hisy ihany koa ny fihaonana eo amin’ity tomponandraikitra ity sy ny Filohan’ny Repoblika, hiresahana ny raharaha “Nosy Malagasy”. Ity farany izay mamparisarisa ny fifandraisana ara-diplomatika misy eo amintsika sy ny frantsay. Raha tsiahivina, tamin’ny volana 2019 no nisy ny fihaonana farany teo amin’ny Vaomiera itambaran’ny delegasiona malagasy sy frantsay, niresahana indrindra ny momba ireo Nosy ireo, teto Madagasikara. Hatramin’izao, tsy nety tanteraka ny fihaonana manaraka fa nihemotra foana. Raha toa ka fitakiana ireo Nosy no nataon’i Madagasikara, dia fiarahamitantana kosa indray no napetraky ny zareo frantsay. Andrasana, araka izany, izay ho tohin’ny raharaha.
Etsy ankilany, isan’ireo lohahevitra mety atrehiny aty Madagasikara koa ny mahakasika raharaha fikasana amono ny Filoha (Apollo 21), izay nanamelohana olona mizaka ny zom-pirenena frantsay miisa roa, dia i Paul Rafanoharana, sy Phillipe François. Tsara ho fantatra fa efa nangataka ny hampodiana ireto teratany frantsay ireto ny frantsay. Ary amin’izao fotoana dia miandry ny famelana ataon’ny Fanjakana malagasy amin’ny hahafahana mandefa azy ireo any Frantsa na tsia. Andrasana fatratra, noho izany, ny fiatraikan’ny fihaonana eo amin’ity Minisitra frantsay ity sy ny Filoha Andry Rajoelina, raha tsy misy ny fiovana.




