PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA APOLLO 21: Voarohirohy telo naiditra eny Tsiafahy, telo hafa any Imerintsiatosika
Naharitra ora maro ny fanadihadiana natao ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hamono ny Filohan’ny Repoblika, omaly, tetsy Anosy. Nanomboka tamin’ny 3ora tolak’andro teo ho eo no nivoaka tsikelikely ny fitsarana ireo voarohirohy miisa fito, raha toa ka mbola nitohy ny fanadihadiana ireo sisa hafa. Ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana no nahalalana fa nalefa eny Tsiafahy ny telo tamin’ireo voarohirohy ireo, raha toa ka eny Imerintsiatosika kosa ny telo hafa, ary vehivavy iray hafa koa no nalefa any Manjakandriana.
Vao maraina dia efa feno mpitandro filaminana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ny tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, sy ny manodidina. Omaly, izay fotoana voafaritra fa hiakaran’ireo voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hamono olona ambony eto amin’ny Firenena, sy ny Filohan’ny Repoblika, eo anoloan’ny Fampanoavana. Tapitra rahateo ihany koa ny fotoana nahafahana nanao andrimaso azy ireo teny Ivato. Fanaovana andrimaso izay mbola azo nitarina 15 andro hafa saingy noho ny efa fahavitan’ny famotorana natao ireo voarohirohy dia tsy nampitomboina intsony izany.
Taorian’ny adin’ny efatra nanaovana fanadihadiana ireo voarohirohy, fantatra fa olona telo tamin’izy ireo no nalefa eny Tsiafahy ny andron’ny omaly ihany. Anisan’izany ingahy Paul Rafanoharana, teratany malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, ary i Phillipe Marc François, kolonely misotro ronono frantsay, izay heverina fa atidoha nikotrika ny teti-dratsy. Nampiarahina tamin’izy ireo ihany koa ny mpiasa iray teo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara.
Praiminisitra teo aloha
Ankoatra ireo telo nalefa teny Tsiafahy, nisy tamin’ireo voarohirohy ihany koa no nalefa eny amin’ny Fonjan’Arivonimamo Imerintsiatosika. Tafiditra ao anatin’izany ny Praiminisitra teo aloha, tamin’ny Fitondran’ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka, Victor Ramahatra. Eo koa ihany ny jeneraly efa misotro ronona iray, izay isan’ny nirotsaka hofidina filoham-pirenena tamin’ny 2006, Ferdinand Razakarimanana, ary ny komandin’ny « groupe de sécurité et d’interventions spéciales » (GSIS) eo anivon’ny zandarimaria (E.D). Tetsy ankilany, anisany efa niatrika ny fampanoavana omaly koa ny ampahany tamin’ireo vehivavy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Fantatra taorian’ny fanadihadiana, noho izany, fa nalefa any Manjakandriana ny iray tamin’ireo vehivavy ireo, izay tsy hafa fa ny vadin’i Paul Rafanoharana ihany. Ny iray hafa kosa nalefa eny amin’ny Hopitaly noho ny tsy fahasalamany, araka ny voalaza.
Firaisana tsikombakomba
Mbola nitohy hatramin’ny harivan’ny omaly ny fanadihadiana teny anivon’ny fampanoavana. Nilaza omaly ny mpisolovavan’ny sasany tamin’ireo voampanga fa nandeha araka ny tokony ho izy ny famotorana rehetra tao amin’ny fampanoavana. Araka ny loharanom-baovao hafa kosa, isan’ny vesatra hanenjehana ireto efa nampidirina am-ponja vonjimaika ireto ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fikasana hamono Filoham-pirenena sy olom-panjakana ambony teto amin’ny Firenena. Mbola andrasana kosa ny valin’ny famotorana hatao an’ireo voarohirohy sisa hafa.



