Songadim-baovaoToekarena
RAHARAHA BASE TOLIARA : Nandiso ireo tsaho aelin’ny mpanao politika mpanohitra ny Filoha
Nahitsy ny Filoha omaly raha nilaza fa ny fitrandrahana no hahafahana mitondra fampandrosoana ny firenena. Io no lalana hahafahana tsy miankin-doha intsony amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, araka ny fanampim-panazavana nentiny. Rehefa vitantsika mantsy no mitrandraka ny harentsika dia tsy ho sahirana intsony isika amin’ny fanatanterahana tetikasa maro.
Notsiahivin’ny Filoha fa ny tenany mihitsy no nanakana ny tetikasa Base Toliara tamin’ny 2019 rehefa hita fa nisy fanoherana nataon’ny mponina tany an-toerana tamin’izany. Nanomboka 2019 hatramin’ny 2024 dia nisy « comité d’expert » nivondronan’ireo mpisehatra marolafy, nanao fanadihadiana momba ity fitrandrahana ataon’ny Base Toliara ity. “Tsy mbola nisy fitrandrahana hahazoantsika tombontsoa toy io, araka ny fanambaran’ny Filoha. Ity farany izay nilaza fa 180 tapitrisa dolara isan-taona no ho azon’i Madagasikara amin’ny alalan’io tetikasa io, izay hetra ho aloan’ny orinasa mpitrandraka. Hahavitana zavatra maro izany, hoy ny Filoha. Nampahafantarin’ny Filoha omaly fa nahazo ny fankasitrahan’ny amerikanina mihitsy ny tenany tamin’ny fifampiraharahana momba ny Base Toliara. Ary reharehantsika izany, hoy hatrany izy.
“Izaho Andry Rajoelina dia tsy hanaiky mihitsy zavatra hamono ny vahoaka malagasy”, hoy ny fanamarihana sady antso nataony ho an’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo. Nilaza ny mbola hanao fidinana ifotony any an-toerana moa ny Filoha hihaona amin’ny vahoaka. Fa novakiany bantsilana omaly fotsiny ny fomba maloto ataon’ny mpanao politika mpanohitra, izay voalaza fa lehiben’ny mpanohitra eto Madagasikara, manetsika ny vahoaka hanohitra ny tetikasa Base Toliara, izay hampandroso an’i Madagasikara, ary ho lohalaharana amin’izany i Toliara, misy ny fitrandrahana.




