PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA FAMONOANA AN’I DANIL RADJAN : Naverina any am-ponja ireo voarohirohy, manohy fanadihadiana ny fitsarana
Nanomboka tany amin’ny volana septambra tamin’ny taon-dasa, mbola raharaha mitana ny sain’ny mpanara-baovao ny mahakasika ny famonoana ilay teratany karana tetsy amin’ny La City Ivandry. Nisy ny didim-pitsarana nivoaka ny 03 Jona lasa teo, izay nanafaka noho ny fisalasalana an’ireo voampanga. Nanao fanambarana ny Minisitry ny Fitsarana fotoana vitsy taorian’izay fa mbola ilàna fanadihadiana lalina ity raharaha ity, ka tokony horavana ny didy.
Ny 03 Jona lasa teo no nivoaka ny didy avy amin’ny Fitsarana Ady heloka Bevava naneho fa afaka noho ny fisalasalana ireo voaheloka tamin’ny raharaha famonoana ilay teratany karana, Danil Radjan, ny volana Septambra 2020. Tafiditra ao anatin’izany I Lionnel Lelièvre, lehiben’ny orinasa Cops, mpanao asa fiambenana, sy ny namany teratany malagasy telo lahy. Raha io didim-pitsarana io, dia mivoaka ny fonja ny voampanga. Tsy izay anefa no nitranga. Fotoana vitsy taorian’io dia nilaza ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny Richard, fa mbola hisy fanadihadiana lalina atao amin’ity raharaha ity. “Ny Minisitry ny Fitsarana dia mihevitra fa tokony ho mbola hohalalinina izany didy izany ka nanome baiko ny Procureur Général ny amin’ny hanaovana fandravana ny didy izay nivoaka mba hojerena lalindalina kokoa eo anatrehan’ny fitsarana fandravana didy. Izany baiko nomeko izany dia midika fa tsy mbola mivoaka ireo olona ireo, mandrapivoakan’ny didy avy any amin’ny “cours de cassation”, hoy ny Minisitra.
Fitazonana olona am-ponja tsy araka ny lalàna?
Tetsy ankilany, nilaza ireo mpisolovava an’ireo voampanga fa tsy ara-dalàna ny mbola nampidirana am-ponja ny olona arovan’izy ireo taorian’ny famoahana ny didim-pitsarana. Ireo mpisolo vava ireo izay nanambara fa “Détention arbitraire” no hitazonana ireo olona arovany any am-ponja ankehitriny. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Fitsarana fandravana eo anivon’ny Fitsarana Tampony, Rakotonavalona Ranary Robertson, ny atao hoe “Détention arbitraire” dia fitazonana olona am-ponja tsy araka ny lalàna, ary tsy misy antony. Ity raharaha ity anefa, tsy hoe tsy misy antony ny hitazomana ireo voampanga any am-ponja fa noho ny fisian’ilay fandravana didy.
Nomarihin’ity tomponandraikitra ity, fa ireo mpitsara eo anivon’ny fampanoavana ireo dia fehezin’ny ambaratongam-pahefana. Ary fahefan’ny Minisitry ny Fitsarana tanteraka ny manome baiko azy ireo. Ny eo anivon’ny famoahana didy kosa no tsy afaka mandray baiko na avy amin’iza na avy amin’iza. Noho izany, ara-dalàna tanteraka ny nataon’ny Minisitry ny Fitsarana.
Raha tsiahivina, ireo Malagasy telo lahy any am-ponja dia samy efa niaiky ny heloka nataony ary nitazona ilay vazaha, ary samy hita tao anatin’ny sary tahirin’ny « caméra de surveillance » izy efatra ireo. Mbola nanamafy izany koa ny resaka an-telefaonina nataon’izy efatra voarohirohy rehefa nanaovan’ny mpanao famotorana fandihadiana lalina. Mbola tratra tany amin’ireo voarohirohy ihany koa ny moto nampiasana nandritra ny famonoana.
Ny Fanoratana.




