Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

RAHARAHA FAMONOANA AN’I RAISSA : Hiakatra Fampanoavana anio ireo olona voarohirohy

Hiakatra Fampanoavana androany eny amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, ny raharaha mikasika ny famonoana an’i Raissa. Mbola mitohy kosa, ny fanadihadiana lalina mikasika ny famonoana an’i Tricha. Samy efa nisy olona noahiahina sy nosamborina tamin’ireo raharaha roa mafana mitàna ny sain’ny maro ankehitriny ireo. Nitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Anosy sy ny Borigady misahana ny heloka bevava…

Hatolotra ny Fampanoavana androany eny amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy (TPI) ireo olona voarohirohy sy efa voasambotra natao fanadihadiana teny amin’ny BC Anosy, mikasika ny raharaha famonoana an’i Raissa, ilay ankizivavikely 08 taona, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teny 67Ha, ary hita faty ny Alahady 11 Mey lasa teo. Tsy mbola nilaza ny daty hiakaran’ny raharaha momba an’i Tricha kosa, ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny TPI Anosy, Rakotoniaina Narindra Navalona, tamin’ny fanambarana nataony, omaly, na voalaza fa efa nisy aza, olona noahiahina efa voasambotra. Nambarany, fa mbola anaty fanadihadiana tanteraka ny tompon’andraikitra, ary mitohy ny fikarohana ireo olona heverina ho manana andraikitra mivantana na an-kolaka mikasika ireo raharaha roa ireo. Fantatra ihany koa, fa ialohavan’ny famotorana lalina ny fisamborana olona iray atao famotorana.  Voararan’ny lalàna ihany koa ny famoahana sary na anaran’olona iray izay mety ho voarohirohy anaty raharaha iray any anaty tambazotran-tserasera na anaty haino vaky jery, noho izy ireny heverina ho toy ny tsy meloka (olona iray) rehefa tsy misy didim-pitsarana raikitra manameloka azy, raha ny fanampim-panazavana.

Miara-miasa ny BC sy ny Fitsarana…

Miara-miasa akaiky amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava ny Fitsarana, manoloana ireo fandikan-dalàna rehetra, anisan’izany ireo raharaha miisa roa namonoana an’i Tricha sy Raissa, izay arahin’ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana. Tafiditra anaty politika napetraky ny Minisiteran’ny fitsarana ihany koa ny fanenjehana ny famonoana olona, izay tsy handeferana. Araka izany, rehefa entina eo anatrehan’ny Fampanoavana ireo izay voarohirohy ho namono olona dia ampidirina am-ponja avy hatrany. Ambonin’izany, sakanan’ny Fampanoavana manaraka izany, ny fangatahana fahafahana vonjimaika ataon’ny voampanga. Ny eo anivon’ny BC Anosy no misahana ireo raharaha roa mikasika ny famonoana an’i Tricha sy Raissa.  Nomarihan’ny Kaomisera iray eo anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava Anosy, Ratojonirina Manampison, fa tsy mandeha irery ny BC fa misy ireo sampan-draharaha manokana eo anivon’ny Polisim-pirenena miara-misalahy amin’izany, dia ny sampan-draharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny Zaza ary ny olona marefo (PMPM) sy ny sampan-draharaha misahana ny heloka anabaka (Cybercriminalité). Angatahan’izy ireo indrindra amin’ny olom-pirenena mety manana angom-baovao mikasika ireo raharaha roa ireo, mba hanome izany hahafahana manohy haingana ny fanadihadiana hahitana ny marina rehetra.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer