Fanatanjahan-tenaSosialy
RAHARAHA FANAPOIZINANA TENY AMBOHIMALAZA : Natsangana ny Vaomiera hanampy ireo niharam-boina
Nandray ny fianakavian’ireo izay niharam-boina noho ilay fanampoizinana nandritra ny lanonam-pankalazana tsingerintaona teny Ambohimalaza, ny 15 jona lasa teo, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly antoandro, tao amin’ny Lapam-panjakana lavoloha. Ny Filoham-pirenena no nanapa-kevitra hanasa azy ireo. Teny arm-piandohana, dia nitondra ny teny fampihononana ho azy ireo ny Filoha, amin’ny anaran’izy mivady. Marihina fa nandritra ny fotoana rehetra nitsaboana ireo marary dia teo anilan’izy ireo hatrany ny Fitondram-panjakana. Niantohana manontolo ny fitsaboana. Ho an’ireo namoy havana, dia nanotrona azy ireo hatrany ny Fiadidian’ny Repoblika. Hatreny am-bohitra dia tonga nitsapa alahelo, nitondra ny teny fampiononana, sy nanolotra izay voatsirambin’ny tanana anehoana ny firaisam-po amin’izy ireo ny iraka avy amin’ny Filoha mivady. Satria moa tsy afaka nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo izay namoy havana, sy nankahery ireo. marary isa-tokantrano ny Filoha dia nohararaotina ihany koa ny fotoana omaly, nanolorana ny izay voatsirambin’ny tanana ho azy ireo.
Ankoatra ny raharaham-pitsarana sy ny fitsaboana, dia nanararaotra ny fotoana koa ny fianakavian’ireo. niharam-boina nilaza ny hetahetam-pon’izy ireo ny Filoha. Eo mantsy ireo izay namela ny fitadiavany noho ny fitsaboana ireo marary. Misy koa ireo lasa mananotena, nefa mbola mitondra vohoka sy mitaiza kely. Ao ireo lasa kamboty. Misy ny very andry jankinana satria misy amin’ireo tanora nindaosin’ny fahafatesana no teo am-pamaranana ny fianarany.
Vaomiera afa-manampy…
Tapaka nandridra ny fihaonana ny maraina teo araka izany fa hisy Vaomiera eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika ijerena ny ahafahana manampy ireo fianakaviana tsirairay, satria mantsy tsy mitovy avokoa ny manjo sy ny filan izy ireo. Hisy koa ny fanohanana ara-psikolojia an’ireo fianakaviana ireo. Mafy tokoa mantsy ny vesatra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po mihatra amin’izy ireo. Nitarainan’ireo fianakaviana ihany koa ny mahakasika ny fanodinkodinana sy familiviliana ireo vaovao mahakasika an’ity raharaha ity. Notsipihin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ho arahiny akaiky ny asan’ity Vaomiera ity sy ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra ho raisina ao. Teo am-pamaranana ny fihaonana, dia nilaza ny Filoha fa « reko daholo ny fitarainana sy fangatahana . Tsy irery ianareo fa eto aho, hanao ny ezaka rehetra anampiana anareo, ezahantsika ny hameno ny tsy ampy. tsy misy ny tonga lafatra fa ezahintsika ahitsy izay tsy mety », hoy izy.
Tafakatra 34 ireo namoy ny ainy
« Aleo hipoitra ny marina satria be loatra ny nolazaina. Tokony hitandrina isika satria marobe ireo manilivily sy mamendrofendro. Ankehitriny mandeha haingana be ny tambazotra ara-tsosialy, dia misy ny milaza ny tsy marina. Efa mandeha ny fanadihadiana, tsy manana tombontsoa isika handainga », hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Fianakaviana manodidina ny 30, izay nanana havana akaiky niharam-boina noho ilay fanapoizinana teny Ambohimalaza no nihaona tamin’ny Filoha. Isan’izany ny Maman’i Nombana, izay namoy zanaka roa, ary isan’ireo naneho ny alahelony matetika. Tsiahivina moa fa tafakatra 34 ireo namoy ny ainy, noho izany. Misy kosa nefa ireo sitrana soa aman-tsara, ary nisy tamin’izy ireo no tonga tao lavoloha. Nanamafy ny fiaraha-miory sy ny firaisam-po amin’ireo fianakaviana, araka izany, no nanasan’ny Filoha azy ireo omaly. Anton’izany koa, ny hiaino azy ireo manoloana ireo fitarainana sy ahiahin’izy ireo. Tanjon’ity fihaonana ity koa ny hanazava ny sain’izy ireo, manoloana ireo fitarihana ity raharaha ity amin’ny resaka hafa, sy ny famendrofendrona ataon’ireo mpanao politika indrindra indrindra. « Tsy tokony hanaiky hozarazaraina isika », hoy ny Filoha.
Rado Harivelo




