PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA FIFOFOANA NY AIN’NY FILOHA : Samy miandrandra ny hivoahan’ny marina ny Filohan’ny Antenimiera roa tonta
Na ny Filohan’ny Antenimiera-pirenena, na ny Filohan’ny Antenimierandoholona dia samy naneho ny tsy tokony hanamaivanana ny trangana fikasana hamono Filoham-pirenena teto amintsika. « Izahay dia sahy milaza fa tsy sarin’ady na sarimihetsika ireny tranga ireny », hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa. Nilaza kosa Razafimahefa Herimanana fa olana tsy azo hamaivanina ireny tranga ireny. Izy ireo izay samy miandrandra ny hivoahan’ny marina momba ity raharaha ity..
Fiarahabana tsy maty fo aman’aina. Io no nitaritan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ny resaka mahakasika ny raharaha fikasana hifofo ny ain’ny Filohan’ny Repoblika, omaly raha nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Depiote ny tenany. “Ny Antenimieram-pirenena dia manameloka marin-drano ny fomba mamohehitra, helohin’ny lalàna sy ny soatoavina malagasy ary ny Demokrasia”, hoy ny fanambarany. Tsy ekena velively, hoy izy, ny teti-dratsy hamboly korontana eto amin’ny tany sy ny Firenena, ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena sy ny fikasana handrodana ny Repoblika. “Izahay dia sahy milaza fa tsy sarin’ady na sarimihetsika ireny tranga ireny. Aoka ny vahoaka malagasy tsy ho voarebireby amin’izany, ary tokony hamafisina hatrany ny fiarovana ny ain’ny Filoha sy ny ankohonany fa tsy atao tandrevaka”, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Ny Filamatry ny Antenimieram-pirenena ankehitriny dia ny hisian’ny fifandimbiasan-toerana ara-demokratika sy anatin’ny fitoniana. Ireo no miantoka ny maha mari-toerana ny Fitondram-panjakana eto amin’ny Firenena, hoy ny fanazavana.
Fiheverana ho toy ny tsy meloka
Etsy ankilany, nanao antso avo ho an’ireo mpikirakira tambajotran-tserasera ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny amin’ny tokony hitandremana mba tsy ho lasa fitsabahana amin’ny asan’ny fitsarana ny vaovao avoaka. “Tokony hajaina hatrany ny tsiambaratelon’ny famotorana, sy ny fiheverana ho toy ny tsy meloka ireo atao famotorana”, hoy ny fanazavana. Ho setrin’izany anefa, nampirisika ireo mpanao famotorana sy ny fitsarana mba hanao ny asany amin’ny maha matihanina azy ity Filohana Andrimpanjakana ity, ka hampihatra ny sazy hentitra araka ny lalàna amin’ireo izay voaporofo fa meloka. “Atao ihany koa ny antso avo amin’ny tokony hisehoan’ny valin’ny fanadihadiana marina ho fantatry ny vahoaka malagasy. Tsarovy fa ny vahoaka dia manara-maso ary liana te hahafantatra ny fizotry ny raharaha satria Filoham-pirenena nofidiana ny Filoha ankehitriny, ka maha saro-piaro ny vahoaka”, hoy ny fanambarana.
Miandry am-pitoniana ny fanadihadiana
Tetsy andaniny, ny Filohan’ny Antenimierandoholona ihany koa dia nametraka mazava tsara fa olana tsy azo amaivanina iny tranga fikasana hamono ny Filoham-pirenena iny. Manaporofo izany, hoy izy, ireo karazana fanehoan-kevitra nandeha sy nisesisesy taorian’ny fahatrarana ny fikasan-dratsy. Nohamafisina fa raha sanatria misy mahazo ny Filoha, dia ny vahoaka malagasy 26 tapitrisa mihitsy no iaraka ho tra-pahavoazana ary hirehitra ny firenena. Ny tenany izay niantso ny tokony hanatsaharana fampitahorana harangaranga eto amin’ny firenena. Nilaza ity Filohana Andrimpanjakana ity fa mbola mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, ka tokony hiandry am-pitoniana ny fanadihadiana isika. Izy izay nanome toky ny vahoaka ihany koa ny tsy maintsy hivoahan’ny marina ao anatin’izao raharaha izao.




