
PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA JUNNOT RAMANANARIVO: Voaheloka higadra 15 taona, miampy asa an-terivozona i Loic Large
Sazy mihatra 15 taona an-tranomaizina, miampy asa an-terivozona 15 taona no azon’ilay teratany vahiny antsoina hoe Loic Large, tompon’antoka tamin’ny famonoana ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana UEM (Union Emergence Madagascar) am-perinasa, Junnot Ramananarivo, ny alahady 16 Janoary 2022. Omaly no nivoaka io didim-pitsarana io. Teo anatrehan’izany anefa dia naneho ny tsy fankasitrahany an’io didy io ny UEM. Nambaran’ity fikambanana ity fa tokony ho figadrana mandrapahafaty no azony, raha ny heloka nataony.
Raha tsiahivina, ny alahady 16 Janoary tamin’ity taona ity no maty novonoina noho ny disadisa nisy teo aminy sy tamin’ny teratany vahiny iray izay nananany trosa i Junnot Ramananarivo. Araka ny fanazavana, nananan’i Junnot Ramananarivo volabe mitentina hatrany amin’ny 300 tapitrisa ariary tamin’ny raharaha lavanila ilay vazaha. Nomen’ilay vazaha fotoana teny Ivandry i Junnot tamin’io alahady io. Efa nanantena ny ahazo an’ilay vola i Junnot tamin’io fotoana io, ka nitondra polisy 2 hatao escortes. Vao niditra tao anaty fiaran’ilay vazaha anefa i Junnot dia voatsatoka antsy lava lela ary nivoaka niantso vonjeo sady manala an’ilay antsy be, saingy tsy tana ny ainy noho ilay tsatok’antsy nahazo ny fony. Saika hitsoaka ilay vazaha saingy voasambotr’ireo polisy roa avy hatrany ary nentina teny amin’ny BC Anosy natao famotorana, ary tsy maintsy naiditra am-ponja, araka ny fanazavana. Ny zoma 21 Janoary 2022 no niakatra fampanoavana ny raharaha, izay nampidirana am-ponja vonjimaika an’ity teratany vahiny ity tany amin’ny Fonjan’i Tsiafahy.
Taratasim-bola tsy misy antoka
Raha ny fanazavana, tsy vaovao tamin’ny Fitsarana intsony ity teratany Frantsay, voaheloka tamin’ny raharaha famonoana ny Sekretera Jeneralin’ny « Union Emergence Madagascar » ity. Maromaro tokoa mantsy ireo raharaham-pitsarana maha voasaringotra azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fanaovana taratasim-bola tsy misy antoka (chèque sans provision). Izany no mahatonga azy eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana nanomboka ny volana Aogositra taona 2021. Efa manana dosie tany amin’ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly ihany koa ny tenany. Nanamafy ny teo anivon’ny Fitsarana fa olona efa manan-draharaha aminy ihany io olona novonoina io. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…




