PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA RAVINALA AIRPORTS : Mitaky ny hanokafana « Enquête parlementaire » ny depiote

Maro ireo mpiara-miombona antoka amin’ny Air Madagascar no tonga nanatona ny Kaomision’ny Fitaterana momba ny fifanarahana izay nisy teo amin’ny firenena malagasy sy ny Ravinala Airports. Ny zavatra tsapa sy hita dia voahilikilika ireo orinasan’ny Fanjakana malagasy, toy ny Sofitrans sy ny Adema, ao anatin’izany fifanarahana izany. Araka izany, mangataka ny avy eo anivon’ny Kaomision’ny Fitaterana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, tamin’ny alalan’ny Filoham-baomiera Rajoelina Seth, ny hanaovana « enquête parlementaire » mba hahafahana manadihady marina ny zava-misy ao anatin’io fifanarahana io.

Tsiahivina fa tamin’ny fitondrana teo aloha no nisy io fifanarahana teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Ravinala Airports io. Efa niparitaka tamin’ny lahatsoratra an-gazety sy ny tambazotra sosialy omaly rahateo koa ny halatra ara-bola nataon’ny Fitondrana Rajaonarimampianina manodidina ny fanamboarana ny seranana Ravinala Airports. Araka ny voalaza, vola mitentina 240 tapitrisa dolara no nentin’ny Fitondrana teo aloha nanamboarana io fotodrafitrasa hita ao Ivato io. Vola izay tsy maintsy averin’I Madagasikara ao anatin’ny 28 taona. Rehefa jerena sy nohadihadiana anefa ny mety ho fandaniana tamin’ny fanaovana ny seranana Ravinala Airports dia nanodidina ny 50 tapitrisa dolara ihany. Ankoatr’io, dia mbola trangana fifanarahana tsy ara-drariny maro ihany koa no nisy teo amin’ny roa tonta tamin’izany fotoana. Antony mahatonga ny Fitondrana ankehitriny hamerina hijery indray io fifanarahana io, noho ny fiheverana fa voahosihosy tanteraka ny fiandrianam-pirenena malagasy.

Fermer