Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA TSOA VHF : 20 taona an-tranomaizina ilay namono, 7 taona sazy mihatra ny an’ilay sakaizany
Nivoaka omaly ny didim-pitsarana momba ilay raharaha famonoana an’i Tsoa VHF, ilay mpanakanto maty notsatohana tamin’ny antsy. 20 taona an-tranomaizina, sazy mihatra no azon’ilay mpamily antsoina hoe i Tsila nanindrona antsy an’i Tsoa VHF. Izy, araka izany, no fantatra fa namono nivantana ilay mpanakanto io. 7 taona an-tranomaizina sazy mihatra kosa, ny an’ilay vehivavy, antsoina hoe Valéria mpiara-miasa sady sakaizany.
Afaka madiodio kosa, ny vadin’i Ntsoa, izay vady mariaziny, nahiahina tamin’ny famonoana azy, raha toa ka afaka noho ny fisalasalana ireo olona telo hafa notanana am-ponja vonjimaika, raha ny didim-pitsarana nivoaka omaly, tetsy amin’ny Fitsarana Anosy. Tiana ny manamarika fa efa nangataka fihemorana indroa miantoana ny Mpitory momba ity raharaha ity, noho ny tsy fahatomombanana momba ny antontan-taratasin’ady. Nambaran’ny Mpisolovava fa nahafapo ny Mpitory ny valin’ny Fitsarana teny Anosy omaly. Ny zanany tao anatin’ny mariazy no Mpitory moangataka onitra voalohany tamin’izao raharaha izao. Andrasana, araka izany, na hampakatra na tsia ireo torina momba ny valin’iny didim-pitsarana iny. Efa tokony ho tamin’ny herinandro lasa iny no nivoahan’ny Fitsarana, saingy nihemotra omaly, 30 Novambra ny fitsarana ny raharaha, araka ny didy savaravina nivoaka.
Raha tsiahivina, ny 8 novambra taona 2022 no hita faty teny amin’ny tetezan’Ambohimananarivo tao anaty fiara ny vatana tsy misy aina an’i Tsoa VHF. Herintaona latsaka aty aoriana, vao nandeha ny fitsarana tetsy Anosy. Olona dimy no naiditra am-ponja vonjimaika, tao aorian’ny fanadihadiana teo anoloan’ny Mpitsara mpanao famotorana, ka isan’ireo i Valéria, izay mpanakanto ary voatondro fa tompon’antoka sy atidoha nikotrika mihitsy. Izy izay namoaka hira nanafin-keloka tao amin’ny tambajotran-tserasera tamin’izany fotoana, ka tsy afaka tao am-bavan’ny maro ilay hira hoe : « Tsapako fa tena mamy ».
Pierre M.




