PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA VARY SIMBA TAO MAHAJANGA: Naiditra am-ponja vonjimaika ny Prefe sy ny Talem-paritry ny varotra ao Mahajanga

Taorian’ireo olona miisa fito naiditra am-ponja vonjimaika voarohirohy tao anatin’ilay raharaha famoahana sy fanodinana vary simba tao Mahajanga, dia natao am-ponja vonjimaika ihany koa ny Prefe sy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Mahajanga taorian’ny famotorana lalina natao azy ireo teny amin’ny PAC…

Ny faran’ny herinandro lasa teo nidinan’ny Minisitry ny fitsarana ifotony tao an-dRenivohitry ny faritra Boeny, mikasika ilay raharaha famoahana vary simba 50 kaontenera tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ary nokasaina haodina sy hamidy indray no nilazany ampahibemaso, fa tsy maintsy hirosoana ny famotorana lalina ataon’ny Fitsarana, ary handraisana fepetra ho an’ireo olona sy tompon’andraikitra rehetra ahiahiana ho tao ambadik’ity raharaha ity. Voalaza tamin’izany, fa misy olom-panjakana sy mpiasam-panjakana ambony voakasika amin’izao raharaha izao tsy maintsy hanaovana fanadihadiana sy hatolotra ny fitsarana faran’izay haingana, dia ireo manam-pahefana rehetra nanao sonia ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana mikasika ireo vary simba, miampy izay rehetra nandray anjara nanelanelana tamin’io raharaha io. Fantatra taorian’izay, fa tompon’andraikitra maromaro no nakarina teny amin’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) 67ha, ny tolakandron’ny alakamisy 04 janoary lasa teo, natao famotorana sy nohenoina, ary nitohy omaly zoma maraina izany, raha ny fantatra. Anisan’izany ny Governoran’ny faritra Boeny, olom-boafidy avy ao Mahajanga, ny Prefen’i Mahajanga, ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’i Mahajanga, ary ny Tale vitsivitsy eo anivon’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Mahajanga. Nandraisana fanapahan-kevitra naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izay ny Prefen’i Mahajanga sy ny Tale rezionalin’ny varotra ao an-toerana. Ireto farany, izay voampanga tamina fanararaotam-pahefana. Ankoatra ireo tompon’andraikitra roa voalaza, nohenoin’ny PAC ihany koa ny governoran’ny Faritra Boeny, tamin’ny antony “vavolombelona” ary afaka nandeha taorian’izay. Ny amin’ireo olom-boafidy indray dia tsy mbola nandalo fihainoana teny anivon’ny PAC hatramin’ny omaly, raha ny loharanom-baovao voaray. Ankoatra izay, dia nisy olon-tsotra miisa roa ihany koa avy eny amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava Fiadanana nohenoina teny anivon’ny PAC mikasika ity raharaha ity, saingy mbola eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany, raha ny voalaza.

Mitohy ny fanadihadiana

Tsy mijanona hatreo ity raharaha fanodinkodinana vary simba saika hamonoana ny mpiray tanindrazana ity, fa mitohy ny fanadihadiana ataon’ny fitsarana. Raha tsiahivina dia olona miisa sivy hatreto no efa natao am-ponja vonjimaika momba ity raharaha ity. Ankoatra ny Prefe sy ity tompon’andraikitry ny varotra ao Mahajanga, tao ny mpikarakara antontan-taratasy, mpandraharaha no sady tompon’ilay orinasa sy milina nanodina ny vary, mpitoto vary, mpamily sy mpanampiny, ary mpiasa roa. Marihina, fa tsy mbola nisy tafavoaka tao Mahajanga ireo vary simba nahodina sy nokasaina havoaka hiakatra eto Antananarivo. Efa nanomboka tamin’ny herinandro kosa, ny fandorana azy ireo tsikelikely, izay natomboka teo ambany mason’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Minisitry ny fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.

Stan R.

Fermer