Songadim-baovao
Raharaha volamena 49 kg : Fantatra ireo olona roa tena atidoha, volamena 2 Taonina nokasaina haondrana
Nahitsy ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana omaly, nilaza fa efa fantatra ireo olona roa tena atidoha amin’ny fanondranana volamena, izay teratany malagasy ny iray raha teratany arabo ny iray. Ankoatra ny resaka volamena 49 kg, dia mbola nikasa hanondrana an-tsokosoko volamena roa taonina izy ireo. Efa mandeha ny fanadihadiana…

Nambaran’ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza omaly, nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy Faravohitra fa « efa fantatra avokoa ny mombamomba ireo tena atidoha nikotrika ny resaka fanondranana volamena 49 kg tratra tatsy Kaomoro sy tao Afrika Atsimo. Teratany malagasy sy teratany arabo ireo olona voalaza ho tena atidohabe amin’ny fanondranana harem-pirenena ireo ». Notsindriany moa fa sady tsy mipetraka eto Madagasikara no sady tsy ao Kaomoro ireo antsoina hoe « trondro vaventy » ireo no mipetraka, fa mialokaloka any andafy, any amin’ny Firenena hafa. Na tsy nety nanonona anarana aza ny minisitry ny Fitsarana, nasongadiny tsara fa efa fantatra mazava ny mahakasika ireo olona ireo ary efa mandeha ny famotorana sy ny fikarohana. Nohitsian’ny minisitry ny Fitsarana, fa mbola saika hamoaka volamena 2 taonina saika haondrana an-tsokosoko izy ireo. Ankoatra ireo teratany malagasy roa lahy efa voatazona, izay nalaina tany Kaomoro, dia miampy ireto olona roa voalaza fa teratany arabo sy teratany malagasy indray ny olona fantatra fa tompon’antoka tamin’ny fanondranana an-tsokosoko volamena avy eto Madagasikara. Tena manana tambajotra matanjaka mihitsy ireo olona ireo, ary misehatra amina fanondranana zavatra hafa ankoatra ny resaka volamena. Ankoatra ireo volamena sarona 49 kg tany Kaomoro, dia mbola nahatrarana heroïne koa tany amin’ireo mpanondrana.
Ahina ho tambajotra amin’ny fampihorohoroana iraisampirenena

Tsy vitan’ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna moa no hanenjehana ireo roa lahy voasambotra tao Kaomoro, fa eo koa ny fitazonana zava-mahadomelina mahery vaika « héroïne milanja 1kg ». Noho izany, dia ahina koa ny fifandraisan’ny raharaha amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana. Ahina misy fifandraisan-tendro amin’ny famatsiam-bola tambazotra amin’ny asa fampihorohoroana iraisam-pirenena (Terrorisme international) ity raharaha ity. Ny vokatry ny fanadihadiana efa miroso, no hanamarinana izany, ary tsy maintsy hotaterina sy ampahafantarina ny vahoaka, raha ny fanampim-panazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza.
Raha ny mahakasika ny famerenana ilay volamena tra-tehaka tany Kaomoro, dia mbola misy ny dingana tanterahina. Tsy niolaka ny minisitry ny Fitsarana nanambara fa manao ny asany ny Fitsarana, saingy misy kosa ny lalàna mifehy ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana (secrets de l’instruction), izay tsy azo dikaina. Noho izany, misy ireo vaovao mbola tsy azo ambara, na ny ao amin’ny Sampana Fikarohana Heloka Bevava eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, na ny eo anivon’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly (PAC). Tiana ny manamarika fa tamim-pirahalahiana tanteraka ny fiaraha-miasa tamin’ny Nosy Kaomoro, ka nahafaha-nampody ireo teratany malagasy roa anisan’ny voasaringotra tamin’ny resaka fanondranana volamena 49 kg sy ny raharaha volamena 73 kg tatsy Afrika Atsimo. Nanterin’ny minisitry ny Fitsarana hatrany fa ny Praiminisitra no nandritra ny fandehanana tatsy Kaomoro.




