PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA VOLAMENA 50KG ANY KAOMORO: Tsy misy idiran’ny fianakavian’ny Filoha Rajoelina

Tsy nihambahamba mihitsy ny Gazety “La Gazette des Comores” ao Kaomoro nilaza fa an’ny Rafozan’ny Filoha Andry Rajoelina ireo Volamena milanja 50 kilao sarona tao Kaomoro ny taona 2021, tao anatin’ny lahatsoratra nivoaka ny 25 oktobra 2024 lasa teo. Nandiso izany andriamatoa Rodolphe Razakandisa, izay voatonona mivantana tao amin’ny lahatsoratra. Notsindriany fa lainga, tsy misy porofo, ary tsy misy fototra iorenany ny vaovao navoakan’io gazety kaomoriana io.

Ny 28 desambra 2021, volamena “lingots d’or” milanja 49 kilao no tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Prince Said Ibrahim (AIMPSI) ao Kaomoro. Olona telo no voasambotra niaraka tamin’izany, ka teratany malagasy ny roa amin’ireo, araka ny fampitam-baovao. Nandeha ny fanadihadiana samihafa nanomboka teo. I Kaomoro sy i Madagasikara kosa, tetsy ankilany, nanana fifanarahana ara-pitsarana, ka nanaiky hampodiana hotsaraina eto Madagasikara ireo teratany malagasy roalahy ny Fanjakana Kaomôriana. Io no vokatry ny iraka nataon’ny delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny Fitsarana tamin’izany fotoana tatsy Kaomoro. Ny 13 janoary 2022, tafaverina an-tanindrazana ny delegasiona miaraka amin’ireo roalahy ireo. Ny Fitsarana malagasy, noho izany, no nisahana ny famotorana sy ny fitsarana azy mirahalahy ireo nanomboka tamin’izany.

Ankehitriny, anatin’ny fifampiraharahana amin’ny Fanjakana Kaomoriana ny Fanjakana malagasy ny amin’ny tokony hampodiana an’ireo Volamena ireo aty Madagasikara. Hita sy voaporofo amin’ny fihetsika asehon’ny Governemanta Kaomoriana anefa fa tsy vonona ny hamerina ireo volamena ireo aty Madagasikara izy ireo. Porofon’izany ny tsy nandraisan’izy ireo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, izay tokony ho namita iraka tany an-toerana ny herinandro teo, nampita hafatra ho an’ny Filoha Kaomoriana avy amin’ny Filoha malagasy. Mba hanamarinana an’io fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo io dia miezaka manely vaovao diso ry zareo Kaomoriana, izay aparitaka amin’ireo fitaovan-tserasera sy fampahalalam-baovao any an-toerana.

Isan’ny naparitaka tao anatin’izany fa an’ny Rafozandahin’ny Filoha Andry Rajoelina ireo volamena tra-tehaka ireo. Fanambarana izay tsy narahina porofo akory, tsy misy fototra iorenany ary tsy marina. Nandiso izany andriamatoa Rodolph Razakandisa, Rain’i Mialy Rajoelina, izay nilaza fa tsy misy ifandraisany na akaiky na alavitra tamin’iny raharaha iny. Nambarany fa manimba ny voninahiny sy ny voninahitry ny fianakaviany ireo vaovao diso ireo. “Ny fianakaviako dia manaja, ary mbola hanaja hatrany ny lalàna sy ny Soatoavina mifehy ny Repoblikan’i Madagasikara”, hoy ny fanambarana. Nitaky ny hanitsiana izany lahatsoratra izany moa ny tenany.

Tsy niandry ela fa vao vantany nivoaka ity lahatsoratra ity dia nirongatra ny avy amin’ny fanoherana nivoy izany, indrindra ny tao amin’ny tambazotran-tserasera notarihin’i Fanirisoa Ernaivo. Vaovao diso tanteraka anefa io aparitany io. Raha toa ka efa namoaka ny fanitsiam-baovao nataon’ny lasibatra ilay gazety kaomoriana, mba rahoviana kosa no hanao izany i Fanirisoa Ernaivo ?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer