PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA VOLAMENA 73,5KG : Voaporofo ny hosoka sy fampiasana hosoka niseho
Miroso hatrany fanadihadiana momba ny raharaha volamena 73,5Kg ankehitriny. Nisy ny fanambarana nataon’ny Fadintseranana malagasy omaly, izay nanaporofo ny hosoka nataon’ireo olona voasaringotra amin’ity raharaha ity, indrindra mahakasika ny voalaza fa fanambaran’ny fadintseranana Malianina, ka nahafahan’izy ireo nivezivezy niaraka tamin’ny volamena… Tsara ho fantatra fa mihemotra amin’ny 01 Febroary izao ny fotoam-pitsarana ireo telo lahy any Afrika Atsimo.
Anisan’ny fiarovan-tenan’ireo telo lahy tanan’ny manampahefana Afrikana tatsimo ny filazana fa volamena avy any Mali ireo 73 kilao mahery tratra tany amin’izy ireo ireo fa tsy avy aty Madagasikara. Izany orinasa « Sky Gold Mali » na « SGM » izany no nambaran’izy ireo fa tena tompon’ny entana. Orinasa mpisehatra amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany fa indrindra ny volamena io orinasa io, raha ny fantatra, ary ao Bamako, renivohitr’i Mali, no misy ny foibeny. Io orinasa SGM io no nolazain’izy telo lahy : Anjaranantenaina Zava Herimanana, Regasy Francis Deliot, ary Mahamodo fa nanome alalana azy ireo hitondra ny volamena, ary izany Kouma Tidiane izany, izay mpitantana io orinasa io no manao sonia ny fanomezan-dalana. Nambaran’izy ireo fa nampandalovina ny fadintseranana Malagasy io taratasy io ary nasian’ireto farany “visa”. Hita mazava amin’ny taratasy ny fitombo-kase mena sy sonia tsy hay vakiana. Saingy rehefa dinihina tsara ny fitombokase, dia hita fa hosoka.
Antontan-taratasina kojakojam-piarakodia!
Ankoatra ny fanomezan-dalana avy amin’ny orinasa SGM, dia nasehon’izy ireo ihany koa ny fanambaran’ny fadintseranana nilazany fa avy any Mali ireo volamena ireo. Mitondra ny laharana E1343 io declaration io ary manambara fa an’ny orinasa SGM ny entana ary vato sarobidy no ao anatiny. Rehefa tena nohadihadiana anefa ny tany Mali ary nijery ny “systeme de dedouanement Sydonia World” ny Maliana dia fantatra koa fa mbola hosoka io antontan-taratasy io. “Tsy misy ifandraisany amin’ny asa ataon’ny orinasa Sky Gold Mali mihitsy ary tsy misy ifandraisany amin’ireo entana nambara anatin’ilay fanambarana mihitsy, ny declaration E1343” hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana, Zafivanona Lainkana. Ny “declaration de douane” mitondra ny laharana E1343 rehefa tena nojerena, dia misoratra amin’ny orinasa antsoina hoe “Sandvik Mining and Construction” ary “Roues dentees et autres organs elementaires de transmission”, izany hoe kojakoja ho ana fiarakodia na “piece automobile detaches” no entana navoakan’io orinasa io ny seranam-piaramanidin’i Bamako fa tsy vato sarobidy na koa volamena. Izany hoe raha tsorina, io antontan-taratasin’ny orinasa “Sandvik Mining and Construction” io no nanaovan’ireo mpanao trafikana volamena tratra ireo hosoka ka navadiny ho amin’ny anaran’ny orinasa “Sky Gold Mali” na “SGM” ka entiny ilazana fa tsy avy eto Madagasikara ireo volamena 73 kilao mahery ireto fa avy any Mali.
Heloka atao amin’ny fadintseranana
Olona maro no nohenoina tamin’ity raharaha ity, ary betsaka ny fandikan-dalàna niseho hita nandritra izany. Ho an’ny fadintseranana manokana, ny heloka atao amin’ny fadin-tseranana ihany no afaka hidiran’izy ireo an-tsehatra, ary hamarinina ny fisiany. Ny heloka hafa kosa dia efa ataon’ny rafitra hafa mifandraika amin’izany. Araka izany, rehefa natao ny fiantsoana ireo olona marobe teny anivon’ny Fadintseranana, dia hita ny fanondranana an-tsokosoko entana voarara. “Io heloka io dia voasokajy ho ao amin’ny heloka faratampony amin’ny heloka atao amin’ny fadintseranana na amin’ny Infraction Douanière”, hoy ny Razafitrimo Volasoa, Tale misahana ny lafiny lalàna sy ny ady amin’ny Hosoka eo anivon’ny fadintseranana malagasy. Ankoatra izay, rehefa misy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany tahaka izao, dia misy ny tsy maintsy misy ny fanajana ny pitsopitsony araka ny lalàna mahakasika ny famerenana ireo vola vahiny eto an-tanindrazana, izay tsy nisy anefa raha ho an’ity tranga ity manokana.
Hampandrenesina 24ora mialoha
Etsy ankilany, nanazava ny Tale misahana ny raharaha ivelany eo anivon’ny fadintseranana, Randriamanantena Soja, fa tsy nisy ny fampahafantarana mialoha natao ho an’ny fadintseranana mahakasika ny fisian’ny sidina, tamin’io andron’ny 31 Desambra io. “Kanefa, na sambo na fiaramanidina no voalaza fa hihetsika amina seranana iray dia tsy maintsy hampandrenesina 24ora mialoha ny fadintseranana”, hoy ny fanazavany. Tsy nahagaga, noho izany, raha tsy teo ny mpiasan’ny fadintseranana nandritra ny zava-niseho rehetra. Eo anatrehan’izany, nitsotra ity tomponandraikitra fa misy fandikan-dalàna niniana natao mihitsy tao. Manampy izany koa, misy hatrany ny fakan-tsary andrimaso eny anivon’ny seranana, hahafahana manaramaso ny zava-miseho rehetra eo an-toerana. Tamin’io fotoana io anefa, nisy fahatapahany fotoana lavabe io fakan-tsary andrimaso io. Nahitsy ity tomponandraikitra ity nilaza fa zavatra efa nomanina ireny niseho rehetra ireny, matoa tsy nampandrenesina ny fadintseranana, ary notapahina koa ny fakan-tsary andrimaso. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Fadintseranana ankehitriny.
Tsy marina koa ny filazana fa nandefa ny Minisitry ny Raharaham-bahiny na delegasiona hafa tany Afrika Atsimo ny Fanjakana malagasy tany ka hilazana fa afabaraka satria tsy nahazo rariny tamin’ny fitsarana afrikana tatsimo.
Etsy ankilany, betsaka ireo rafitra eto an-toerana no manohana ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny finiavana hamerina ireo harem-pirenena ireo an-tanindrazana. Isan’izany ny Fadintseranana malagasy izay milaza fa vonona hifanome tanana amin’ny Fanjakana foibe amin’ny famerenana an-tanindrazana ireo telo lahy sy ny volamena 73Kg.
Mbola olona folo ankehitriny no tokony mbola handalo hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny Pac, na ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly. Ny telo amin’ireo dia ireo teratany malagasy taraiky ao Afrika Atsimo ankehitriny. Mbola karohina kosa ireo olona fito hafa eto an-toerana amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ireo olona fito ireo ny voalaza fa tompon’ilay volamena, eo ihany koa ny olona nitrandraka volamena an-tsokosoko ary olona manana fahefana ka nampiasa izany tamin’ny fomba tsy ara-dalàna.




