Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

RAHARAHA VONO OLONA TENY 67HA: Naiditra am-ponja ny Reniben’i Raissa, miampy roa lahy tsy ampy taona

Niakatra Fampanoavana omaly tolakandro ilay raharaha “Raissa”, zazavavikely 08 taona novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teny 67Ha. Fantatra ary, fa ny Renibeny avy amin’ny rainy, 68 taona, miampy roa lahy samy mbola 16 taona, no voarohirohy sy naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, hatreto. Ireto farany, izay efa niatrika fanadihadiana savaranonando teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava Anosy, ary izao miandry ny fotoam-pitsarana azy eny am-ponja izao. Ny fiampangana azy ireo dia fantatra, fa fanolanan-jaza latsaky ny 15 taona, vono olona efa nomanina, ary fampijaliana sy fanafenana razana. Raha ny amin’ireo ankizilahy miisa roa naiditra am-ponja ireo, dia fantatra, fa ny iray nipetraka tao amin’ny reniben’i Raissa io, ary ny iray olom-pantatry ny fianakaviana, tsy misy hifandraisana na misy rohim-pihavanana. Tsy mijanona hatreo anefa, fa mitohy ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Azo heverina araka izany, fa mbola misy olona ahiahina anatin’izao raharaha izao karohin’ny mpitandro filaminana. Raha hiverenana, dia karazana valifaty no namonoana ity zazavavikely ity. Ny fianakavian’i Raissa kosa, miantso ny fitsarana ara-drariny sy mijery ny marina mikasika izao raharaha mampalahelo loatra izao. Omaly alarobia 14 mey moa, no nanitrihana ny nofo mangatsiakan’i Raissa, taorian’ny fanaovam-beloma farany azy tao amin’ny EKAR Mb Terezy Isotry. Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nampandalovina teny anoloan’ny fitsarana Anosy, ny fiara nitondra ny razana, niantsoantsoan’ny fianakaviana ny rariny momba io zazavavikely io. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Fa ankoatra ny raharaha mikasika ity zazavavikely ity, dia andrasan’ny maro fatratra ihany koa ny raharaha ‘Tricha”.

 

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer