
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA VONO OLONA : Voasambotry ny fokonolona ireo enin-dahy tompon’antoka, iray maty voadaroka
Nitrangana savorovoro tao amin’ny kaominina ambanivohitra Androrangavola, distrikan’Ifanadiana mahakasika ny famonoana olona, ny alarobia lasa teo. Rehefa tratran’ny fokonolona ireo olona ahina ho nanao izany dia nanoro ny toerana nandevenany azy. Rehefa hita ilay razana dia nanomboka nisavorovoro ny fokonolona teny an-dalana nitondra ireo nahavanon-doza ka teo no namaly ny iray antsoina hoe Mimy. Vokany, maty nodarohan’ny fokonolona teny an-dalana izy io. Ireo namany dimy lahy kosa, dia natolotra ireo zandary tany an-toerana mba hatao famotorana.
Tamin’ny 5 Ora sy sasany tolakandro, dia nivory teo anoloan’ny biraon’ny kaominina indray ireo fokonolona nitaky ny hanomezana azy dimy lahy ka nanohitra izany ireo zandary sy ny mpitondra any an-toerana ka nilamina ihany. Nalefa niakatra any Ifanadiana ireo zandary roa nitondra ireo dimy lahy, mba hialana amin’ny mety ho fihoaram-pefy hataon’ny fokonolona, ka efa tonga soa aman-tsara ao amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ifanadiana izy ireo ankehitriny. Zandary telo sy polisy roa kosa, nijanona any an-toerana hitady ny angom-baovao mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka sy hitandro ny filaminana. Ankehitriny dia tony ny filaminam-bahoaka any an-toerana ary ireo razana roa kosa, efa natolotra ny fianakaviany taorian’ny fizahana. Misokatra ny fanadihadiana ka ny tobim-paritry ny zandarimaria Ifanadiana no manatanteraka izany.
Ramatoa nahafaty ny vadiny…
Ankoatra izay, lehilahy iray mipetraka ao Ampatsy, fokontany sy kaominina ambanivohitra Maromitety-I, distrikan’i Marolambo, manana tanimboly ao Ambodiala, kaominina Andonabe Atsimo no hita faty nisy nandevina tao amin’ny tanimbary akaikin’ny tanimboliny ao Ambodiala, miala tokony ho 50 metatra ny tranony. Araka ny tatitra an-tsoratra nataon’ny sefom-pokontany ao Ambodiala dia ny alika nitangorona sy ny fofona maimbo no nahitan’olona io faty io ny heriny androany. Ny alarobia teo no nidina tany an-toerana ny zandary telo avy amin’ny tobim-paritra Marolambo niaraka tamin’ny dokotera ary ny sefom-pokontany nijery ny zava-misy. Tamin’ny fahatongavan’izy ireo teny an-toerana dia efa nofongarin’ny havany sy ny fokonolona ilay razana. Araka ny fitsirihan’ny mpitsabo dia nahitana dian’antsy telo sy mangana ny lohany. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa ny vadiny ihany no namono azy. Toy izao ny fanazavan’ilay vadiny: « Efa ela no tsy nilamina ny tokantranonay ary efa matetika aho no noroahan’io vadiko io. Tamin’ny talata 15 jolay 2025 dia tapa-kevitra fa hisaraka izahay ka nandeha tany an-tanimbolinay, mba hizara fananana. Nisy fifamaliana ka niady izahay ary tonga hatreny amin’ny tanimbary. « Nodarohako tamin’ny vato ny filahiany ka lavo teo amin’ny sisin’ny tanimbary izy ary torana niady aina ka mbola nokapohako tamin’ny hazo ny lohany. Rehefa tsy nihetsika intsony izy dia nototofako tany. Taorian’io dia niverina tany an-tanana aho », hoy ny vadiny. Rehefa tsy niaraka niverina tany an-tanàna izy mivady dia nanontany azy ny rahalahiny fa novalian’ilay ramatoa fa lasa any Mahanoro ilay lehilahy. Taorian’ny fizahana natao dia nomena ny havany ny razana. Ny tobim-paritra ny zandarimaria Marolambo no misahana ny fanadihadiana.
Pierre M.




