PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PANJAKANA : Hatsaraina ny serasera eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana

Fanjakana manakaiky vahoaka. Mifandrimbona amin’ny fahatrarana io fanamby nataon’ny Filoham-pirenena ireo departemanta ministerialy isan-tokony amin’izao fotoana. Isan’izany ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana izay manatanteraka fiofanana ankehitriny mahakasika ny serasera ho an’ny daholobe eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana. Misitraka izany fampiofanana izany avokoa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny rafi-pitsarana manerana ny Nosy.

Efa miaina ao anatin’ny tontolon’ny serasera tanteraka ny asam-panjakana rehetra amin’izao fotoana izany. Tsy afa-miala amin’izany koa ny eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana. Araka ny tsikaritra tato ho ato, anisany anaovan’ny olona adihevitra matetika ny raharaham-pitsarana, na eny anivon’ny haino aman-jery izany na eny amin’ny tambazotra sosialy. Antony nahatonga ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana nanapa-kevitra ny hanao ny fiofanana mandritra ny telo andro izay hifantoka indrindra mahakasika ny serasera ho an’ny daholobe momba ireo raharaham-panjakana eo anivon’ny Fitsarana na « La communication publique dans le service public de la justice ».

Tamberinandraikitra

Tanjona ny hahafehezana ireo teboka rehetra tokony ho fantatry ny vahoaka ao anatin’ny tontolon’ny Fitsarana. Tsara ho fantatra fa ny mpitsara rehetra dia voafehin’ny atao hoe « obligation de reserve » , sy ny « secret de l’instruction », araka ny fanazavan’i Raby Savatsarah, Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana. Na izany aza, misy ireo vaovao tokony hampahafantarina amin’ny vahoaka eo amin’ny tontolon’ny fitsarana. Izany hoe, manana tamberinandraikitra ny tontolon’ny fitsarana, indrindra ny mpitsara, amin’ny vahoaka,  momba ny asa izay ataony. Tafiditra ao anatin’izay tamberinandraikitra indrindra ny fanaovana tatitra sy serasera amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny fanazavany. Izany no anton’ny fiofanana mba hahafahana mametra ireo toro tokony ho tenenin’ny mpitsara amin’ny vahoaka.

Voakasika avokoa

Raha tsiahivina, efa nisy « circulaire », tamin’ny taona 2015, izay nametraka fa ireo lehiben’ny fampanoavana rehetra manerana ny Nosy no tomponandraikitra eo amin’ny lafiny Serasera amin’ny vahoaka na amin’ny tontolon’ny haino aman-jery mahakasika ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny fari-piadidiam-pitsarana tsirairay avy, na koa mahakasika raharaham-pitsarana manokana, ilaina fampitana amin’ny vahoaka. Amin’ity fampiofanana ity kosa, ireo lehiben’ny fampanoavana rehetra manerana an’i Madagasikara, ny ao amin’ny Parquet, ny Procureur général Cours suprême, Procureur général cours de cassation, ireo Procureur général an’ny cours d’appel rehetra, ireo procureur de la République eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany rehetra no anisany voakasika. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny avy eo anivon’ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana ara-bola na ny « tribunal » financier, eo koa ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, ny « conseil d’Etat » sy ny « Cours des comptes ».

Fermer