PolitikaSongadim-baovaoToekarena

RAHARAHAM-PANJAKANA: Notokanana ny “Hotel des Finances” ao Sambava

Omaly, nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tany amin’ny Faritra Sava, no nitokanany ny “Hotel des Finances” ao Besopaka- distrikan’i Sambava. Fotodrafitrasa goavana sy manarapenitra no napetraka ao an-toerana, izay tafiditra ao anatin’ny Veliranon’ny Filoha momba ny Fanjakana manakaiky vahoaka. Napetraka, hoy ny Filoha, ny fotodrafitrasa mba hahafahana manafaingana ny raharaham-panjakana toy ny fanomezana fisotroan-dronono, karaman’ny mpiasam-panjakana, fandoavana hetra sy fadin-tseranana. Tsiahivina fa nampivezivezy ny olompirenena hatrany ny fanatanterahana ireo asa ireo teo aloha. Mivondrona amin’ny toerana iray kosa ny asa manomboka izao. Ity “Hotel des Finances” ity ihany koa no biraom-panjakana goavana sy manarapenitra voalohany ao amin’ny distrika sy ny Faritra Sava manontolo. Tsy ho faritra tara intsony tahaka ny teo aloha i Sava sy i Sambava, hoy Andry Rajoelina. Manao fanamby ny Filoha fa fotoana hampandrosoana ity distrika ity izao. Mbola nohamafisiny fa tsy maintsy ho tanterahiny ireo fotodrafitrasa efa nampanantenainy ho an’ny faritra. Fotoana izay nilazany fa ho vita amin’ny taona 2021 ny fanamboarana manontolo ho tara ny lalampirenena RN5A mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Maro ireo efa nampanantena ny hanao ny asa saingy izao vao tena hita maso ny fandrosoan’ny asa fanamboarana, hoy izy. “Tsy hijanona ao Antananarivo irery ihany ny fampandrosoana sy ny fanomezan’ny Fanjakana ny fotodrafitrasa” hoy ny Filoha. Anisany hisitraka ny Gymnase ny distrikan’i Sambava araka ny nampanantenainy.

Fotodrafitrasa hafa

Nijery ny fandrosoan’ireo fotodrafitrasa ao Sambava ihany koa ny Filoha. Efa mandeha amin’izao ny fanamboarana ny lalana pavé amin’ny sampanan-dalana Analamandrorofo mivoaka mankao amin’ny tsangambaton’Antsirabe mirefy 340 m sy ny lalana an’Antaimby mivoaka ny tsangambaton’Antsirabe mirefy 1150m. Tanterahin’ny faritra ny asa amin’ny alalan’ny famatsiambolan’ny Fanjakana foibe. Efa mandeha ihany koa amin’izao ny fanaovana ho béton ny lalana manoloana ny PMU mankany amin’ny Tetezana Antaimby izay mirefy 560m. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany ihany koa ny Lalan’i Maman’i Dolores mirefy 150m araka ny fangatahan’ny mponina. Nahazo fiara tsy mataho-dalana miisa roa ihany ny faritra SAVA ho an’ny distrikan’Andapa sy i Sambava. Nisy ihany koa ny fanolorana Camion benne sy benne miisa 05 ho an’ny kaominina Sambava. Nifarana tamin’ny fanolorana vatsy tsinjo avy amin’ny Filoha sy fanolorana machine à coudre ary ny fizarana Rakibolana ho an’ny kilasy T5 sy T9 ny fitsidihim-paritry ny Filoha mivady tao amin’ny distrikan’i Sambava.

Nitohy tany amin’ny Distrikan’Antalaha, renivohitry ny famokarana lavanila manerantany, ny dian’ny Filoha mivady. Ain’ny toekarenan’i Madagasikara ny lavanila ary isany mampiditra vola vahiny betsaka indrindra. Araka ny fampanantenana nataony, hapetraka ao Antalaha ny tranoben’ny Lavanila na ny Maison de la Vanille eo Ville Basse. Notanterahina omaly ny lanonana fametrahana ny vato fototra mariky ny fiantombohan’ny asa. Fotodrafitrasa goavana sy manarapenitra hatsangana amin’ny velarantany mirefy 3200 m2. Mirefy hatrany amin’ny 560 m2 kosa ny fotodrafitrasa rehefa mitsangana.
Fermer