PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHAM-PIRENENA: “Hanara-maso ny fifidianana no anton-dianay”, hoy ny SADC
Raha toa ka nanantena mafy ny hahazo rariny tamin’ireo Iraky ny vondrona SADC ireo Kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy, dia ny mifanohitra tamin’izany indray no niseho satria vao maika nanamafy ny firosoana amin’ny fifidianana ireto iraka iraisampirenena ireto. Manana ny fenitra mahakasika ny fifidianana demokratika sy eken’ny rehetra ny eo anivon’ny SADC, ka izany no harahin’izy ireo maso.
Nandritra ny fihaonana azon’ny besinimaro natrehina notarihin’ny avy amin’ireo Iraky ny SADC mpanara-maso fifidianana, tetsy Alarobia, omaly no nanararaotan’ny avy amin’ny Vondron’ny Kandidà sy ireo Vovonana manohitra ny hanaovana ny fifidianana, nitondran’izy ireo ny hevitr’izy ireo momba ny raharaham-pirenena. Naverimberin’ireo mpanohitra ny fifidianana ireto fa tsy feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana ka tokony hahemotra amin’ny fotoana hafa izany, mba hisorohana ny ambaran’izy ireo fa krizy lalina. Tsy nanisy tohiny an’izany fanehoankevitra izany anefa ny SADC. Nambaran’ny solontenan’izy ireo izay nandray fitenenana fa fanarahamaso ny fifidianana no nanirahana azy ireo fa tsy iraka politika hafa. Hatreto, araka izany, ny SADC dia tsy manana daty hafa hanaovana ny fifidianana eto Madagasikara raha tsy amin’ny 16 novambra ihany. Tao anatin’ny lahateniny aza Jeneraly GodFrey Miyanda dia nanentana ireo olona rehetra voasoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy mba handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana amin’ny alalan’ny fifidianana.
Tsara ho fantatra fa miisa 55 ireo iraky ny SADC tonga eto Madagasikara hanatanteraka ny asa fanarahamaso ny fifidianana. Izy ireo izay hitsinjara amin’ny Faritany enina manerana ny Nosy. Izao fandefasana iraka mpanara-maso izao dia setrin’ny fangatahana nataon’ny Fanjakana malagasy tany amin’ny 02 marsa 2023, araka ny angom-baovao. Ary nanomboka ny 02 novambra 2023 teo no tonga tsikelikely teto amintsika ireo iraka ireo.
Araka ny fandaharam-potoan’izy ireo moa dia fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny asan’izy ireo eto amintsika mandritra izao zotram-pifidianana izao no natao omaly. Manomboka amin’ity anio ity, hatramin’ny 15 novambra 2023 dia iezaka hihaona amin’ireo mpandray anjara samihafa amin’ny raharaham-pifidianana ny SADC. Ary ny 18 novambra 2023 kosa dia hisy ny tatitra savaranonando voalohany ho ataon’izy ireo mikasika ny fifidianana ny 16 novambra 2023.



