PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIRENENA : Mikendry ny hisian’ny korontana koa ny FFKM ?

Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanambarana navoakan’ny Andrimaso FFKM omaly mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, izay naneho fitsikerana rano iray ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Tsara tsindriana anefa fa tsy anjaran’ny FFKM no mitsikera na mitsara ny HCC amin’ny fanapahana izay raisiny.

Namoaka fanambarana omaly ny Andrimaso FFKM izay voalaza fa rafitra mpanara-maso ny fifidianana eo anivon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM). Nanaitra ny mpanara-baovao ny vontoatin’io fanambarana io, izay mirakitra fanakianana rano fotsiny ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mahakasika nandraisana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidian’andriamatoa Andry Rajoelina, sy ny nandraisan’ny Governemanta ny fitantanana ny firenena ankehitriny. Any amin’ny fiandohan’ny fanambarana dia nofaritan’ny Andrimaso FFKM fa “tsy miandany na amin’iza na amin’iza ny Andrimaso FFKM, fa ny fampijoroana ny fahamarinana no tanjona ijoroany”. Tena izany tokoa ve? Tena fahamarinana tokoa ve sa manana tanjona politika maloto ilay fanambarana? Rehefa nojerena tokoa ny nanao ny Sonia ilay fanambarana dia ny Maitre Bakoly Rakotomalala, Filohan’ny Andrimaso FFKM, izay tsy hafa fa mpisolovavan’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ihany. Tsy takon’afenina, noho izany, ny fironana ara-pirehankevitra tao anatin’ny fanambarana sy ny tanjona politika tao ambadika. Ary ananana porofo ihany koa fa ny FJKM no niketrika ny hevitra rehetra manodidina iny fanambarana iny, ary io Bakoly Rakotomalala io no nanoratra samirery ilay ny fanambarana.

Tsy nahazo fankatoavana?

Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), dia naneho mazava ny tsy fankasitrahana ny hevitra nivoitra tao anatin’iny fanambarana iny ny Filohan’ny FLM, rehefa nalefa taminy ny vakiraokan’ny fanambarana. Toy izany ihany koa ny Fiangonana Anglikanina sy ny Katolika izay tsy nanome ny fankatoavany mihitsy ilay fanambarana, araka iny voasoratra iny. Etsy ankilany, araka ny loharanom-baovao dia any Andapa ny Filohan’ny FJKM, izay Mpitarika ny FFKM ankehitriny. Ny tenany izay tsy nahita akory ny fanambarana kanefa nanome baiko ny namoahana izany avy hatrany, araka ny loharanom-baovao. Mampametra-panontaniana tanteraka, noho izany ity tranga ity  satria tsy anjaran’ny FFKM mihitsy no mitsikera na mitsara ny HCC amin’ny fanapahan-kevitra izay raisiny amin’ny maha andrim-panjakana araka ny lalàm-panorenana azy. Inona marina no tena tian’ny eo anivon’ny FFKM hahatongavana? Sanatria ve dia mikendry ny hisian’ny korontana koa ny FFKM? Na tiana na tsy tiana dia mahatonga ny olom-pirenena sy ireo mpisehatra politika tsy hatoky ireo rafi-pitsarana hikirakira ny raharaham-pifidianana ny fanambarana tahaka ireny, ary ahina hiteraka korontana, sa izany mihitsy ve no tanjona?

Ny Fanoratana.

Fermer