PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHAM-PIRENENA: Nametra-pialana ny Governemanta Ntsay
Araka ny efa nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, herinandro lasa izay, dia tsy maintsy niroso tamin’ny fametraham-pialana ny Governemanta notarihiny ho fanajana ny fenitra demokratika. Andrasana ny fanolorana anarana Praiminisitra avy amin’ireo Solombavambahoaka maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena mankany amin’ny Filohan’ny Repoblika.
Taorian’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly, ho fanajana ny fenitra demokratika dia nametra-pialana ny Praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Noraisin’ny Filohan’ny Repoblika araka izany ny didim-panjakana laharana 2024-1450 natao tamin’ny 10 jolay 2024 izay manaiky ny fametraham-pialan’ny Governemanta.
Mandra-panendry ny Governemanta vaovao kosa dia misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay nametra-pialana.
Mitodika any amin’ireo Solombavambahoaka maro an’isa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza indray, araka izany ny mason’ny mpanara-baovao. Izy ireo izay hanolotra ireo anarana telo hosafidian’ny Filoha ho Praiminisitra. Aorian’ny fijoroan’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena anio, na rahampitso farafahatarany, dia ny eo anivon’ny Governemanta indray no andrasan’ny rehetra.
Tsiahivina fa nisy minisitra miisa fito nametra-pialana nandritra ireny fifidianana Solombavambahoaka ireny, izay nirotsa-kofidiana. Mbola tsy nisy fanendrena Minisitra raikitra taorian’izay fa mpisolo toerana ihany no nisahana ny asan’izy ireo. Amin’izao fanendrena Governemanta vaovao izao indray, araka izany, no ho fantatra izay handimby azy ireo. Azo heverina koa ny mety ho mbola haha tafaverina ireo Minisitra teo aloha amin’ny toerany, miankina amin’ny vokatra azony sy ny fahatrarany ny vina napetraky ny Filoha.
Ny Filoha Rajoelina rahateo efa nilaza, herinandro vitsivitsy lasa izay, fa tsy afaka hiara-hiasa amin’ny olona miadam-piasa ny tenany. Mila olona maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoha, hoy izy, ny olona ambony rehetra mba hisian’ny fampandrosoana marina eto amin’ny firenena.
Amin’ity faran’ny herinandro ity, na amin’ny herinandro ho avy izao no andrasana ny fijoroan’ny Governemanta vaovao.
Ny Fanoratana.



