PolitikaSongadim-baovao
RAIKITRA NY FAMPIELEZAN-KEVITRA… : Tsy hitazam-potsiny amin’izay mety ho fandikan-dalàna ny Ceni
Hanomboka anio Talata 19 novambra ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy izay ho mpanolontsain’ny tanàna manerana an’i Madagasikara. Misy ny lalàna mifehy sy ny Didim-panjakana noraisina mifandraika amin’izany, izay tokony hohajain’ny rehetra.
Ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 amin’ny andininy faha-55 hatramin’ny 119 no manoritsoritra ireo fepetra tokony hohajaina manodidina ny tontolon’ny fifidianana eto amintsika. Na ny fihetsika, na teny atao, na ny fomba enti-manatanteraka ny fampielezan-kevitra dia voalaza ao anatin’ireo andininy ireo avokoa. Noho izany, manentana sy mampahatsiahy an’ireo Kandidà, ny Antoko politika mpanohana na mpanohitra, ireo sokajin’olona mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) mba hamerina hamaky ireo andinin-dalàna ao amin’ny lalàna 2018-008 ireo.
Etsy ankilany, ny didim-panjakana laharana 2024-1495, ao amin’ny toko fahatelo, dia manamafy sy mamelabelatra ireo fepetra takian’ny fanatanterahana ny fifidianana. « Antenaina ny hanajan’ny rehetra izay voalazan’ny lalàna », hoy ny Mpampakatenin’ny Ceni, Soava Andriamarotafika. Ary nohamafisiny fa « Ny fiantohana ny filaminan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny no antony maha saropiaro ny rehetra amin’ny fanajana ireo fepetra rehetra takian’ny lalàna ireo ».
Hampakatra ny raharaha
Nampahatsiahy ny teo anivon’ny Ceni fa izy ireo dia manana ilay sata maha « Agent verbalisateur » azy, na ny fahafaha-mandrakitra an-tsoratra ka mampiakatra izany amin’ny rafi-pitsarana ho an’ireo izay nandika ny lalàna manodidina ny tontolon’ny fifidianana. Mety ho lalàna ankapobeny toy ny lalàna famaizana izany, mety ho lalàna avy amin’ny lalàm-pifidianana ihany koa. « Tsy tokony hisalasala izay mahita tranga, miaraka amin’ny porofo, ka mety hanamarika, na hanamafy ny fisian’ny fandikan-dalàna, mba hitondra izany eny anivon’ny Ceni, mba tsy hilazana fa mitaza-potsiny ny Ceni amin’ny tranga mahabe resaka ny maro », hoy hatrany ny Mpampakatenin’ny Ceni.
Famoriam-bahoaka
Raha tsiahivina, rehefa amina vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra toy izao dia ilay « régime déclaratif » no mihatra. Izany hoe, fampahafantarana mialoha eny anivon’ireo rafi-panjakana mahefa no andrasana amin’ireo mpirotsa-kofidiana hanatanteraka hetsika famoriam-bahoaka mba hahafahana mandrindra ny filaminana sy ny fifamoivoizana ary ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny. Efa misy ny fepetra amin’ny fanatanterahana izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Ho an’ny eo Antananarivo Renivohitra manokana dia ny eo anivon’ny Prefektioran’Antananarivo no mandrindra izany. Efa misy ihany koa ireo toerana voafaritra azo anatanterahana ny famoriam-bahoaka. Ary mazava ho azy, misy ireo tsy azo anaovana izany, na dia ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra aza, noho ny antony maro, toy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.
LR.



