PolitikaSongadim-baovao

RALE 2020-2021 : Tafiakatra 10 516 517 ny isan’ny mpifidy nofaranana vonjimaika

Na teo aza ireo olana vokatry ny valanaretina Covid-19 sy ny vanim-potoanan’ny orana natrehina tamin’ny fanatanterahana ny asa natao, ny Ceni sy ireo Rantsamangaikany dia nanohy ny asa fanavaozana ny lisi-pifidianana hatrany araka ny andraikitra izay napetraky ny làlana tamin’izy ireo. Ankehitriny, fantatra fa miisa 331 419 ireo mpifidy vaovao tamin’ny famaranana vonjimaika ny RALE 2020-2021 farany teo.

Ho fampiharana ny andininy faha-37 andalana fahatelo amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 Mey 2018 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny Vaomieram-pirenena Mahaleo-tena Misahana ny Fifidianana (CENI), tamin’ny alalan’ireo Rantsamangaika eny anivon’ny Distrika, dia niroso tamin’ny famaranana vonjimaika ny rejistra nasiônaly izay notanterahina ny 28 febroary 2021. Araka izany, raha mpifidy miisa 10 381 133 no voasoratra anarana nandritra ny RALE nofaranana tanteraka tamin’ny 15 May 2020, tafiakatra 10 516 517 kosa ny isan’ny mpifidy nofaranana vonjimaika ny 28 Febroary 2021 teo. Izany hoe, miisa 331 419 ireo mpifidy vaovao tafiditra ao anaty lisitra, raha toa ka 196 035 kosa ireo noesorina. Marihina fa ny lisitra nofaranana vonjimaika tamin’ny 28 febroary 2021, daty voatondron’ny lalàna, dia ho atolotra isaky ny Fokontany mba hahafahan’ireo mpifidy hanamarina ny mombamomba azy. « Ny fanamarinana voalaza etoana dia tsy maintsy atao ao anatin’ny 20 andro aorian’ny daty nanaovana peta-drindrina ny filazana ny fametrahana ny lisi-pifidianana eny amin’ny biraom-pokontany, araka ny voalaza ao amin’ny andininy 21 amin’ny làlanafehizoro LF 2018-008. », hoy ny Ceni.

Nizara roa ny asa

Nandritra ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE) 2020-2021, dia nizara roa lehibe ny asa natao. Andaniny, fampidirana ireo mpifidy vaovao vao nahazo karapanondrom-pirenena sy ireo nahafeno fepetra nefa mbola tsy ao anaty lisitra, ankilany, ny fanesorana ireo maty sy izay niova toeram-ponenana ary ireo noverezin-jo tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana.

Ankoatra izany, ny hetsika rehetra mahakasika ny asa mifandraika amin’ny fahalavorarian’ny lisi-pifidianana izay natomboka ny taona 2019-2020 dia nitohy tamin’ny RALE 2020-2021. Tao anatin’izany, ny fomba fiasa dia ny nandefasana tany amin’ireo mpikambana ao amin’ny “Vaomiera misahana ny fanisana ny mpifidy” na ny CLRE (eny anivon’ny Fokontany) ny lisitra ahitana anarana miverina indroa na maromaro. Nalefa any ihany koa ny lisitr’ireo mpifidy mitovy laharana karapanondrompirenena mba hahafahana manamarina sy / na manitsy izany. Nampiasaina daholo tamin’izany ny loharanom-baovao rehetra azo trandrahana sy azo antoka, toy ny kopian’ny karapanondrom-pirenena sy ny rejisitra eny anivon’ny distrika, sns…

Nangonin’i LR.

Fermer