Songadim-baovaoToekarena
« RALLYE DES INDUSTRIES » : Nampiditra ny tanora amin’ny tontolon’ny indostria
Notontosaina ny sabotsy teo ny lalao famaranana ilay fifaninanana “Rallye des industries” tetsy amin’ny Novotel Alarobia. Ny ekipa nahitana ny INSCAE – STAR sy ny ABS – ARBIOCHEM no nifanandrina tamin’izany. Ka rehefa nandeha ny fitsarana dia ny ABS – ARBIOCHEM no nandresy tamin’ny “Duel master”, raha toa ka ny ekipan’ny INSCAE – STAR no nibata ny fandresena rehefa natambatra avokoa ireo naoty azo rehetra nandritra ny fifaninanana.
Nilaza ny Filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), Tiana Rasamimanana fa raha nanomana an’ity hetsika ity ny sendikan’ny Indostria miaraka amin’ny Agence Mercatis dia ny mba hahafahana mampiditra eo amin’ny tontolon’ny indostria ireo tanora izay eo andalam-pamaranana ny fotoam-pampianarana. Tratra, araka izany, ny tanjona, satria ity hetsika ity dia nahafahan’ireo tanora nahita ny fizotry ny indostriantsika. Nahafahana koa nijery izay azo hanampiana azy ireo mba hahafahan’izy ireo miditra amin’ny tontolon’ny asa, hoy hatrany ny Filohan’ny SIM.
Vina ho an’ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy kosa ny hahafahana mampandray anjara indray ireo avy any amin’ny Faritra satria fampandrosoana an’i Madagasikara iray manontolo no tanjona.
Tsara ho fantatra fa ny “Rallye des industries” dia manasongadina ny fahavitrihana sy ny fahaizan’ny tanora malagasy manan-talenta eo amin’ny sehatry ny indostria. Mampiroborobo ihany koa ny indostria eto an-toerana ity fifaninanana ity. Ary mampivondrona ny mpandraharaha, ny tanora ary ny olon-drehetra. Sady mampiroborobo sy manome lanja ny vita malagasy.
Marihina fa anisan’ireo orinasa nanohana ity fifaninanana ity ny Yas Madagascar, amin’ny maha Sponsors Gold azy. Ny Yas Madagascar izay miara-dia hatrany amin’ny hetsika manome lanja ny fahaiza-manaon’ny tanora sy manandratra ny maha malagasy.
Randriah.



