PolitikaSongadim-baovaoToekarena
RANO FISOTRO MADIO, HERINARATRA, TOBY MIARAMILA, LISEA, …: Tsy ho isan’ny Distrika hadino intsony i Soalala
Fotodrafitrasam-pampandrosoana maro be no natolotry ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ho an’ny vahoakan’i Soalala omaly, nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Notsindriany fa tsy ho hadino intsony ity Distrika ity manomboka izao. Ary hisy mihitsy ny dinika miaraka iarahan’ny Filoha, ny Governora, Solombavambahoaka sy ny Ben’ny tanana hamaritana ny tena filàna ho an’i Soalala.
Anisan’ireo nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Belna ny tanànan’i Soalala ny taona 2019. Nisy avy hatrany anefa ny asa fanarenana ireo fotodrafitrasa potika tamin’izany, taorian’ny rivodoza. Notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina omaly ireo asa vita ireo. Ahitana ny lalana rarivato manakaiky ny sisin-dranomasina. Notokanan’ny Filoha amin’ny faritry ny sisin-dranomasina ihany koa ny « passerelle » ao Soalala na karazana endrika tetezana toy ny fahita ao amin’ny Village touristique an’i Mahajanga, ka ho toerana fitsangatsanganana sy hisintonana mpizahatany ity toerana ity. Tsara ho fantatra fa faritra manana ny tanjaka amin’ny sehatry ny fizahantany i Soalala amin’ny fananany ny Tsingin’i Namoroka, ny fananany ny Baobab karazany hatramin’ny 3500 isa sy ny fananany karazan-tsokatra Angonoka izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara.
Rano fisotro madio, herinaratra
Ankoatra izany, nametraka fotodrafitrasam-pampandrosoana maro be ho an’i Soalala ihany koa ny Filoha. Nampitaraina ny mponina efa tao anatin’ny 50 taona izao ny tsy fananana rano fisotro madio ao an-toerana. Rano matsaboka sy maloto hatrany no nampiasaina sy niainana. Natolotry ny Filoha omaly, araka izany, ny fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio manomboka izao.
Voavaha ihany koa ny olan’ny famatsiana herinaratra. Natolotry ny Filoha ny Groupe électrogène miisa roa hanolo ny Groupe tokana nampiasaina tao an-toerana sady efa antitra. Efa tonga ao Soalala ihany koa ny teknisianin’ny Jirama hametraka ny fitaovana. Ho fanomezana hazavana ho an’ny kaominina , nanolotra ny jiro COBRA ny Filoham-pirenena. Ankoatra izany, nanolotra ny fiara mpitondra marary miaraka amin’ny fitaovana ilaina toy ny “oxygène” koa ny tenany. Tetsy ankilany, nisy koa ny fanolorana émetteur vaovao ho an’ny Radio sy televiziona nasionaly ao Soalala.
Toby miaramila, lisea manarapenitra,…
Napetraka ihany koa ny Toby miaramila DSS ho fametrahana ny filaminana amin’ny maha toerana be omby an’i Soalala. Hipetraka maharitra ao an-toerana mihitsy ireo mpitandro ny filaminana araka ny toromariky ny Filoha. Hananganana lisea manarapenitra ihany koa i Soalala ao anatin’ny vinan’ny Filoha ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy ho fanomezana ny fanabeazana ho an’ny rehetra. Namaly ny fangatahan’ny Ben’ny Tanàna ny hametrahana ny kianja synthétique ao an-toerana ihany koa ny Filoha. Tanin-ketsa nivoahan’ireo mpilalao baolina kitra malaza teto Madagasikara i Soalala, araka ny fanazavana.
Tsy maintsy hapetraka avokoa ireo Fotodrafitrasa hafa heverina fa mbola ilain’ny vahoaka. Araka ny fantatra, dia hisy ny dinika iarahan’ny Filoha, ny Governora, Solombavambahoaka sy ny Ben’ny tanana hamaritana ny tena filàna ho an’i Soalala. Hisy kosa ny tetikasan’ny Filoha handinihina ny tetibola ilaina amin’ny fampandrosoana ny isaky ny distrika sy isam-paritra ka tsy ho hadino amin’izany i Soalala.
Raha ny fampitam-baovao dia samy notoloran’ny Filoha bisikileta ireo sefo Fokontany tao amin’ny kaominina Andranomavo sy tao Soalala hahafahan’izy ireo manao ny asany. Nisy ihany koa ny fizarana jiro Hazavana Ho Anao ho an’ny Tokantrano voafantina avy amin’ny Filoha tao amin’ireo toerana roa ireo.



