Songadim-baovaoSosialy
RANOBE TEO AMIN’NY KIANJA BAREA : Tsy ny fotodrafitrasa vaovao no olana, fa ireo famoahan-drano manodidina
Nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ilay ranobe nisy tao amin’ny “Parking” an’ny Kianja Barea Mahamasina ny faran’ny herinandro teo, ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa, izay sady mpiahy ity Kianja ity ihany koa. Nohantitranteriny fa tsy avy amin’ny fotodrafitrasa vaovao napetraka eo Mahamasina mihitsy akory no nahatonga ireny rano ireny, fa avy amin’ireo fotodrafitrasa famoahan-drano manodidina izay tsy maharaka.
Manaraka ny fenitra rehetra amin’ny resaka fanadiovana ny kianja barea, hoy Gérard Andriamanohisoa, Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana omaly. Nisy ny “Etude” marobe natao tamin’ny fananganana ny kianja, ary voahaja ny drafitry ny toerana eo Anosy.
Nambarany, noho izany, fa mivoaka ara-dalàna ny rano eny amin’ny ilany atsinanana sy atsimon’ny Kianja. Ny rano rehetra ao anatin’ny kianja dia efa nisy fotodrafitrasa natao hamoaka an’izany avokoa. “Rehefa tonga eo amin’ny vavahady, ka tonga eo amin’ny bizo izay manary mankao amin’ny ranon’Anosy dia miseho ny olana satria kely ny fivoahan’ny rano. Iny anefa tsy any anatin’ny kianja fa ivelan’ny kianja. Rehefa be loatra ny rano dia ela izy vao mitsiaka”, hoy hatrany ny fanazavana. Notsindriany fa ara-dalàna ny famoahan-drano ao amin’ny Kianja, saingy ny rano avy any Befelatanana ambony rehetra no nidina ka nandifotra ny vavahady P3, ary niditra teo amin’ny Parking. Ny avy any amin’ny Sainte Famille kosa dia niditra tao amin’ny varavarana P2. Ary ny avy any amin’ny faritry ny kianjan’ny kanto, dia niditra tao amin’ny P5.
Efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany…
Nambaran’ity tomponandraikitra ity, noho izany, fa ny resaka fanajariana ny tany sy ny fanadiovana eto Antananarivo mihitsy no mila hitadiavam-bahaolana. Fotodrafitrasa efa tamin’ny andron’ny fanjanahantany no misy eto, hoy izy, ka rariny raha misedra olana isika aty amin’ny taona 2021, satria tsy nisy mihitsy fanavaozana natao. “Fotoana izao hijerena ny Assainissement an’Antananarivo rehetra amin’izay”, hoy izy.
Na izany aza, nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana fa tsy voakasiky ny tondran-drano mihitsy ny Kianja filalaovam-baolina, noho ny fomba nanavaozana izany ho afaka manary rano avy hatrany. Manoloana ny zava-nisy ny faran’ny herinandro teo kosa dia nilaza ny tenany fa efa mandeha ny fikaroham-bahaolana vonjimaika hisorohana ny fiverenan’ireny. Isan’ireo hevitra efa natsidika ny hampakarana ho avo ny faritra misy vavahady rehetra miditra ny Kianja, izay voatondro ho tena antony nampiakatra ny rano. Mila heverina ihany koa anefa, hoy izy, ny zava-misy any ivelan’ny kianja raha toa ka tena hobahanana ny rano tsy hiditra aty anaty Kianja.
Mbola nampahatsiahiviny ihany koa fa manana “garantie” na antoka 12 volana ny Fanjakana malagasy amin’ny orinasa sinoa manao ny asa, ka raha ohatra misy ny olana na fahasimbana, na tsy fetezana miseho dia tsy maintsy manamboatra ny orinasa tomponandraikitra amin’ny asa fanamboarana, ao anatin’izay fe-potoana izay.




