
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RANOTSARA NORD: Miaramila nitifitr’olona, maty niharan’ny fitsaram-bahoaka
Fira famaky miisa dimy teo amin’ny hatony no nahavoa ilay miaramila nahavoatifitr’olona, ka tsy tana intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy matin’izy ireo ilay miaramila, afakomaly alina. Raha ny zava-niseho, nitrangana koka hazolava tao amin’i Bedabo, ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora alina, fa nisy andian-dahalo nikasa hangalatr’omby. Namonjy tany ny zandary miisa telo avy ao amin’ny Borigadin’i Ranotsara Nord sy miaramila efatra. Vokany, tsy lasan’ireo dahalo ny omby. Ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 4 ora folakandro, dia tonga ny zanaky ny tompon’omby nanome ranomboankazo an’ireo hery fiarovana ireo, mba ho fisaorana noho ny omby tsy lasa. Samy tonga teo avokoa na ny zandary na ny miaramila. Nitohy ny fisotroan’ireo miaramila tao amin’ny tranon’ilay Adjidà sefo izay lehiben’izy ireo, raha efa niala aloha kosa, ireo zandary tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy fahefany alina anefa, tonga nihazakazaka nanatona ny biraon’ny borigady Ranotsara Nord ilay miaramila iray tamin’ireo miaramila tavela afara efa mamo, niaraka tamin’ny basiny AKM misy fahana iray. Nilaza izy tamin’io fa avy nahavoatifitra olona, ka niangavy mba hafenina ao amin’ny birao. Marihina fa efa avy nandondona tao amin’ny lehibeny izy, saingy tsy voavoha trano ary tsy nisy namonjy azy ireo namany.
Raikitra ny tora-bato tsy nifankahitana…
Tamin’ny fotoana nahatongavany tao amin’ny borigady, hita fa efa fokonolona anjatony no nanenjika azy ary tonga dia voahodidina avy hatrany ny lakazera. Nizotra taminy fandaminana ny komandin’ny borigady, ary teo koa ny kandidà ho ben’ny tanàna nanampy azy. Tsy nanaiky anefa ireo olona marobe, ka tamin’ny 11 ora alina, dia raikitra ny tora-bato. Voatery niditra tao amin’ny birao ireo zandary ka narovana mafy ny toerana nisy ny fitaovam-piadiana sy ny vady aman-janaka. Nisy nitondra basy sy famaky ary zava-maranitra tamin’ireo fokonolona. Nirohotra namaky ny varavarankely avy ao avaratry ny birao sady nitora-bato ny vatan-dehilahy sy vehivavy ary ny zaza. Tokony ho tamin’ny misasakalina, dia vakin’izy ireo ny toeram-pitazomana olona, ary potika ny hidim-baravarana. Raikitra ny sakoroka, ka novonoin’izy ireo ilay miaramila izay napetraka tao. Fira famaky miisa dimy teo amin’ny hatony no nahavoa ity miaramila ity ka tsy tana intsony ny ainy noho ny fahaverezan-dra be loatra. Niala ireo fokonolona rehefa maty ilay miaramila tokony ho tamin’ny 1 ora maraina teo ho eo.
Pierre M.




