PolitikaSongadim-baovao
RANOVAO – DISTRIKAN’I MANJAKANDRIANA: Tany manan-tompo mirefy 7 597 Ha misy mibodo
Tany mirefy 7 597 Ha efa ananan’ny tompony taratasy ara-dalàna hatrany amin’ny taona 1961 no lasa iadiavana amin’ny olona nahazo titra tamin’ny taona 2015 indray ankehitriny. Any amin’ny Kaominina Ranovao, Distrikan’i Manjakandriana no hisehoan’ny tranga. Miantso ny tomponandraikitra hijery akaiky ity raharaha ity ny fianakaviana tompon-tany lasibatra.
Hosoka sy fampiasana hosoka, fanaparam-pahefana, tsindry hazolena, izay no azo anasokajiana ny tranga mihatra amin’ny fianakaviana Ramaherison, tompon’ny tany mirefy 7 597 Ha ao amin’ny Kaominina Ranovao, Distrikan’i Manjakandriana, ankehitriny. Nitondra fanazavana mikasika izany indrindra Ramatoa Rakotovao Lova, solontenan’ny mpandova avy amin’ny fianakaviana Ramaherison. Nambarany fa tamin’ny 31 desambra 1961 no novidian’ny raibeny, Ramaherison Maxime, io tany io. Taty aoriana anefa dia nisy nivoy fa tanin’ny mpanjanaka io tany io. Ary betsaka ny olona miditra an-keriny ao amin’ny tany, mangalatra sy manorim-ponenana. “Tsy mitombina ny maha tanin’ny mpanjanaka an’io satria izahay nividy sy nandoa vola mihitsy tamin’ny fotoan’androny, ary anananay porofo izany”, hoy Rakotovao Lova.
Titra faobe ?
Araka ny fanazavana dia be ala sy hazo ao amin’ny faritry ny tany. Midadasika koa ny toerana ka tsy voafehy ny fidiran’ny olona ao anatiny. Marihina fa misy olona mipetraka ao anatiny izay nifanaraka tamin’ny fianakaviana Ramaherison, misy koa ireo olona manao amboletra fotsiny.
Anisan’ny nipoiran’ny olana ankehitriny dia fisian’ny hetsika titra faobe tany amin’ny manodidina ny taona 2015 sy 2016 tany ho any. “Izahay tsy nahafantatra ny fisian’io hetsika io , fa nisy tribonaly nandeha taty aoriana. Amin’ny maha lehibe ilay tany mantsy, dia feno ala ao anatin’ny faritry ny tany, ary misy ny olona mangalatra manao saribao sy hazo, izay tena olona manambola tokoa. Rehefa nisy olona tratra nanao an’izay fitrandrahana izay, dia nisy ireo nigadra. Avy eo nangataka “ordonnance” izahay tany amin’ny tribonaly, satria feno hazo tapaka tao anatin’io, mba hahafahanay manangona an’ireo hazo sy saribao rehetra ireo, satria nisy fatiantoka izahay tamin’ny zava-niseho. Avy eo ireo olona nitrandraka tsy ara-dalàna ny tany indray no nitondra titra sy boky nitory anay. Teo izahay vao nahafantatra hoe misy olona manana titra ao anatin’ny taninay”, hoy ny fitantaran-dRamatoa Rakotovao Lova.
Nanao fanadihadiana
Nambarany fa tsy olona iray no mifanandrina amin’izy ireo fa maromaro. Ny fianakaviana Ramaherison anefa mandoa hetra ara-dalàna. Manana fahazoan-dalana hitrandraka ny ala ihany koa. Rehefa nanao fanadihadiana ireo fianakaviana lasibatra dia nahita fa tamin’ny titra faobe tamin’ny 2015 – 2016 no nahazoan’ireo olona ireo ny taratasy. Nisy tokoa ny titra faobe tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ankeramadinika, any Ambohitseheno. Izany hoe, tsy misy idiran’ilay tanin-dRamaherison ilay hetsika tamin’io fotoana io. Fa noho ny fahitan’izy ireo fa ny tanin-dRamaherison tena mbola be ala, dia nalain’izy ireo ny taratasy azon’izy ireo tany Ankeramadinika, dia nataon’izy ireo tao tanin-dRamaherison, araka ny fanazavana hatrany.
Antso avo
Amin’izao fotoana dia velon-taraina sy manao antso avo amin’ireo ambaratongam-pahefana mahefa ny fianakaviana mba hijery akaiky ny raharaha. “Matoky ny Fitondram-panjakana sy ny fitsarana izahay. Very ny zon’ny olona manana taratasy ara-dalàna raha toa ka toy izany avokoa no iainan’ny olona”, hoy ny fanambarany. Raha ny fanadihadiana, dia toa misy olom-boafidy manosika ambadika ireo fokonolona any an-toerana haka ny tany, ary efa nanome toky mihitsy rehefa amina vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra fa hanome ny tany ho an’ny fokonolona any an-toerana. Tranga izay tsy manaraka ny lalàna velively. Tsara tsindriana fa ny fianakaviana izay tompon-tany dia manana “juridique”, manana “titre”, manana “permis”, manana ireo zo rehetra amin’ny maha tompon-tany ara-dalàna, ary mandoa hetra ara-dalàna. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…
LR.




