Politika
« RASSEMBLEMENTS DES PARTISANTS RATSIRAKISTE » Manomboka mijoro isam-paritra, manohana ny vinan’ny Filoham-pirenena
Mitsangana ankehitriny ny vovonana « Rassemblements des Partisants Ratsirakiste » (RPR), izay tantanan’ny filoham-boninahiny, Ratsiraka Sophie. Vovonana mamondrona ireo mpankafy sy nankatoa ny fomba fitantanan’ny Filoha Ratsiraka Didier, tamin’izany fotoana. Araka izany, afaka mivondrona ao aminy avokoa ireo « pro-Ratsiraka » rehetra tsy an-kanavaka, na any anaty antoko samihafa, aza, raha ny nambaran’ny Mpampiaka-teny ankapoben’ny vovonana. Nambara, fa nety tamin’ny fiainam-bahoaka tamin’izany fotoana izany, ny « boky mena » izay napetraky ny Filoha teo aloha ity, ary fantatra, fa nisy tamin’ireo mpitondra nifandimby no mbola nanohy ny fomba fitantanana niainga avy tamin’izany. Ho an’ny Filoham-boninahitry ny vovonana RPR manokana, dia nahatsapa, fa misy amin’ireo vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana, no mitovy tamin’ny vinan’ny Filoha Ratsiraka Didier, tamin’izany fotoana, ka antony ankasitrahany sy hanohanany ny vina napetraky ny Filoha Rajoelina, amin’izao fotoana. Aoriana kely, fantatra fa hisy ny kôngresy lehibe hotanterahin’ny vovonana RPR, hilazany ofisialy ny fitsanganany eto amin’ny firenena. Amin’izao fotoana, ny RPR Antananarivo, Toamasina sy Tsiroanomandidy no mbola mitsangana ara-dalàna, raha ny nambaran’ny Mpampiaka-teny ankapobeny. Hatreto, tsy mbola nametraka tanjona mazava ara-politika ny vovonana RPR, saingy fantatra kosa, fa manohana ny ezaka fampandrosoana tanterahin’ity Fitondram-panjakana mijoro, ity. Ny famondronana ireo mpitia Ratsiraka (Pro-Ratsiraka), araka izany, no mbola imasoany hatrany amin’izao fotoana, ka iantsoany izay mazoto rehetra hamondrona ny hery ho fanohanana ny fampandrosoana tanterahina amin’izao fotoana, avy amin’ny finiavana nisy hatramin’izay.




