PolitikaSongadim-baovao
RAVALOMANANA MARC: Mihantsy ny Tafika sy ny Mpitandro filaminana indray
Teny fihantsiana miharo fandranitana ny mpitandro filaminana no nisongadina tamin’ny kabarin’ny Filoha teo aloha Ravalomanana, nisantarana ny taona vaovao 2023. Nambarany fa vonona ny tenany hitarika ny vahoaka eny an-dalambe. Efa nitsotra rahateo izy fa taonan’ny fahasahiana ity taona ity. Mipetraka, araka izany, ny fanontaniana raha ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ity 2023 ity mihitsy no tanjon’ingahy Ravalomanana, ka handrombahana fahefana amin’ny fomba amboletra ?
Taonan’ny fahasahiana ny 2023, hoy ny Filoha teo aloha Ravalomanana tao anatin’ny lahateniny, afak’omaly. Naverimberiny fa efa niova izy, ary naka lesona tamin’ny zava-niseho tany aloha. Niova naninona? Dia lesona tahaka ny ahoana no noraisina? Raha ny zavatra hita tamin’ity Filoha teo aloha ity aloha, niainga tamin’ny lahateny nataony ny alatsinainy teo, dia mbola ilay toetra sy fomba nahalalana azy tany amin’ny 20 taona lasa ihany no mbola misongadina ankehitriny. Isan’izany ny fanambaniana mpitandro filaminana sy Miaramila.
Vonona hitarika vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ny tenany, araka ny nambarany tamin’io alatsinainy io, ary tsy matahotra izay sakantsakana ataon’ny Mpitandro filaminana. Niantso ny mpitandro ny filaminana hiverina any an-dakazerina ny tenany rehefa tsy hiaro ny vahoaka. Fantatr’ingahy Ravalomanana tsara anefa fa tany tan-dalàna i Madagasikara, ary ny Miaramila sy ny mpitandro filaminana dia lohalaharana amin’ny fampanajana izany tany tan-dalàna izany. Mbola nohamafisin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena izany, herinandro vitsy lasa izay, fa « Ny tafika malagasy dia mijoro hatrany miaro ny safidim-bahoaka sy ny Lalàmpanorenana ».
Tsy nety tamin’andriamatoa Ravalomanana io fanambaran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena io ka niantsoany tody sy nanaovany tsinontsinona an’ity mpitarika ny Tafika malagasy ity. Mila ampahatsiahivina amin-dRavalomanana ve fa sehatra manana ny an-tanan-tohatra mifehy azy ny Miaramila, ary zava-dehibe ny fizokiana? Ny fanenjehana ny lehiben’izy ireo, noho izany, dia midika ho fanaovana tsinontsinona ny foloalindahy iray manontolo. Fihetsika izay mampahatsiahy ny fitondrana Ravalomanana izay niorina teo ambonin’ny fanaovana tsinotsinona sy fanambaniana ny foloalindahy sy ireo mpitandro ny filaminana.
Mampametra-panontaniana tanteraka ity fihetsiky ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity. Ny tsy hisian’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity mihitsy ve no tanjona? Hany ka ho ezahana ny hampisy ny korontana sy ny savorovoro eto amin’ny tany sy ny firenena? Efa fomba fiteny mahazatra an’ity Filohan’ny Antoko TIM ity moa ny tsy fatokisany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) izay rafitra mpikarakara ny fifidianana, sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mbola tsy manomboka akory ve ny lalao dia lazaina fa miangatra ny mpikarakara sy ny mpitsara?
Ny Fanoratana.



