PolitikaSongadim-baovao
RAVALOMANANA SY NY EKIPANY: Handika ny satan’ny mpanohitra sahady
Mbola tsy mihatra akory ny lalàna mikasika ny satan’ny mpanohitra eto amin’ny tany sy ny Firenena dia efa manambara sahady ny avy amin’ny fanoherana ankehitriny fa tsy hanaraka izay voalazan’izany lalàna izany. Inian’izy ireo tsy resahina ny maha lalàna avy amin’ny Depiote an’iny tolo-dalàna laharana 01-2019-PL iny, izay tsy misy nidiran’ny Fanjakana foibe velively, ka hanenjehana ny Filoha Andry Rajoelina ankehitriny fa hoe tsy mitàna ny teny nomeny.
“Manabado vahoaka ny mpanohitra amin’izao fotoana izao. Minia mitazona ny olona ao anaty tsy fahalalana”, hoy ny mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha naneho hevitra mahakasika ny fitsipahan’ingahy Ravalomanana sy ny ekipany ny lalàna izay vao lany teny amin’ireo Antenimiera roa tonta mahakasika ny mpanohitra.
“Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny ady hevitra na ny débat tamin’ny 18 desambra 2018 nandritry ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika fa raha izy no ho voafidy eo dia ny kandida Marc Ravalomanana no ho filohan’ny mpanohitra”, hoy ny mpanohitra ankehitriny. Ekena fa nisy tokoa io fanambaran’ny Filoha Rajoelina io. Fa tsy tokony hohadinoina anefa fa ny Filoha Andry Rajoelina no lehiben’ny mpanatanteraka ankehitriny. “Ilay lalàna lany teny anivon’ny Antenimieram-pirenena, sady lany teny anivon’ny Antenimierandoholona dia solombavambahoaka no nitondra azy”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo,“tsy avy aty amin’ny fahefana mpanatanteraka ilay lalàna. Tsy volavolan-dalàna iny fa tolo-dalàna avy any amin’ny Depiote”. Ireto farany izay afaka mitondra izay tolo-dalàna tiany ho entina eo anivon’ny Solombavambahoaka namany ary adidin’ny Antenimieram-pirenena no mandinika an’izany. Tsara ho fantatra fa tsy afaka nanome baiko ny Depiote mihitsy ny mpanatanteraka satria manaja ny fisaraham-pahefana. Manao fanarahamaso no azon’ny mpanatanteraka atao.
“Izahay tsy hanaraka an’io lalàna io?” hoy ny Depiote mpanohitra, mpanao lalàna. Toa efa mampiomana sahady izany fa tsy hanara-dalàna izy ireo, eny fa na dia mbola vao handalo eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, sy handalo fampiharana avy amin’ny Filoham-pirenena aza izany. “Midika izany fa efa vonona amin’ny fandikan-dalàna izy ireo. Olona mpanao lalàna kanefa mandika lalàna. Tokony ho ianao no misarika ny olona hampanaja lalàna”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta.
Faharoa tamin’ny fifidianana?
Etsy ankilany, anisan’ny voizin’ny mpanohitra koa ankehitriny ny hoe “ny Lalàna iraisampirenena dia izay faharoa amin’ny fifidianana no lehiben’ny mpanohitra”. Tsy fantatra mazava aloha hatreto hoe lalàna aiza sa andininy aiza no tian’ny mpanohitra ambara amin’izany. Raha ny zava-misy manerana izao tontolo izao anefa no jerena dia tsy mitombina mihitsy izany fomba fijerin-dRavalomanana sy ny ekipany izany, satria miankina amin’ny rafitra politika mitondra ny firenena ny satan’ny lehiben’ny mpanohitra.
“Isika regime semi parlementaire, ary ny firenena toa antsika dia saika avy amin’ny olom-boafidy daholo no lehiben’ny mpanohitra”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, raha tsy hilaza afa-tsy ny any Alemana, toy izany koa ny any Etazonia. Ny any Etazonia dia tsy Donald trump no lehiben’ny mpanohitra kanefa izy no faharoa tamin’ny fifidianana. Amin’ny ankapobeny, saika parlemantera avokoa ny lehiben’ny mpanohitra any amin’ny firenen-drehetra. Dikany, tsy mitombina velively ny lalan-tsain’ny mpanohitra amin’ny hoe izay faharoa tamin’ny fifidianana no tsy maintsy ho lehiben’ny mpanohitra, raha ny zava-misy maneran-tany no ataon’izy ireo tohan-kevitra.
Ny Fanoratana.



