PolitikaSongadim-baovao

RAVELOMANANTSOA BERIJA: Voaheloka higadra 44 volana an-tranomaizina

Fanaratsiana ny Fitondram-panjakana sy fanankorontanana saim-bahoaka, ireo no ampahany tamin’ny vesatra niampangana an’I Ravelomanantsoa Berija. Efa ho  efa-bolana izay no nisamborana ity mpitarika ny fikambanana ny Solidarité des Leaders Universitaires de Madagascar (Soluma) ity, ka nidirany am-ponja vonjimaika. Tamin’ny herinandro lasa teo ny fotoam-pitsarana ary ny didim-pitsarana no nivoaka omaly. Araka ny fanazavan-dRakotondravony Tahiana, mpisolo vava an’I Berija, voaheloka higadra 44 volana an-tranomaizina ity mpitarika fikambanana ity, sazy mihatra. Tetsy ankilany, afaka madiodio ireo namany telo, ary afaka  noho ny fisalasalana ny iray. “Tsy rariny ny valim-pitsarana” hoy ny mpisolo vava. Izy izay milaza fa voatohitohina ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Ary maivana raha resaka fanehoan-kevitra no hamonjana olona. Ny tsara tsiahivina anefa dia efa misy ny lalàna mahakasika ny heloka atao amin’ny habaka eto amintsika, na ny “Cybercriminalité”. Io lalàna io izay hataon’ny olona sasany ho ambanin-javatra ihany kanefa miantoka ny tsy hisian’ny fandikan-dalàna sy ny fihoaram-pefy any anatin’ireny tambazotran-tserasera isan-karazany ireny. Tsy  mitombina, noho izany, ny filazana fa tsy malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara. Mbola averina hatrany  hatrany fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nahasahy nametraka ilay Lalàna vaovao mifehy ny Serasera atao amin’ny Haino Vaky Jery, izay miantoka feno ny fahalalahana maneho hevitra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara.

Fermer