PolitikaSongadim-baovao
RAY MASINA FRANSOÀ: 12 taona naha Papa, nodimandry teo amin’ny faha-88 taonany
Misaona ny Fiangonana Katôlika maneran-tany ! Nodimandry omaly maraina, tamin’ny 07 ora sy 35 minitra, ny Papa Ray Masina Fransoà, araka ny fampitam-baovaon’i Vatican, tamin’ny alalan’ny Kardinaly Kevin Farrell, tao amin’ny trano nisy ny Papa, Casa Santa Marta…
Andro vitsy taorian’ny nivoahan’ny Papa Fransoà ny hopitaly, izay nitsaboana azy noho ny aretin’ny Pnemonia, dia nindaosin’ny fahafatesana ity dimby faha-266-n’i Masindahy Piera ity, omaly maraina. Ny Kardinaly Kevin Farrell, no nitondra io fanambarana ofisialy nilaza ny fahafatesan’ny Ray masina io tao amin’ny trano misy ny Papa, “Casa Santa Maria”. Ny alahadin’ny Paka 20 Aprily lasa teo, tokony ho tamin’ny mitatao vovonana, no fisehoana farany nataon’ny Papa Fransoà, teo amin’ny lavarangan’ny Bazilikan’i Masindahy Piera, niadiany hanomezana tso-dranon’ny Paka ho an’ny Kristianina katôlika maneran-tany. Tanterany soa aman-tsara izany na dia tsy nahaloa-peo firy aza izy. Taorian’izay dia nanatanteraka fitsidihana tampoka tamin’ny alalan’ny fiara “Papa mobile” teo an-tokontany malalak’i Vatican, ny tenany, nitety ireo kristianina marobe tonga nandray ny tso-drano tao an-toerana. Nambaran’ny Kardinaly Kevin Farrell, tamin’ny fanambarany io moa, fa “niverina any an-tranon’ny Ray ny Evekan’i Roma, Papa Fransoà, izy izay nanolotra ny fiainany manontolo ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Eglizy, ary nasehony amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Tompo marina izany. Nampianatra antsika toe-panahy miainga tamin’ny Evanjely izy, toy ny fankaherezana, fitiavana ny olona rehetra, fa indrindra ireo tena mahantra sy ahiliky ny fiarahamonina. Andriamanitra tokana be fitiavana sy famindram-po tsy manam-petra anie handray ny fanahiny hiara-tsambatra aminy”.
Momba ny Papa Fransoà
Teraka ny 17 desambra 1936 tany Arzantina, 88 taona i Jeorge Mario Bergoglio, ary anaran’i Masindahy Fransoà no nosafidiany entina nandritra ny maha Papa dimbin’i Md Piera azy, noho ny toe-panahin’io olomasina io nalainy tahaka. Dimy mianadahy ny Papa, ary izy no Papa Amerikana sy avy amin’ny Fikambanana Zezoita voalohany. Ny Papa Joany Paoly II no nanendry azy ho kardinaly, niasa tao Roma sy Arzandina. Rehefa nilaza ny Papa Benoà XVl fa hijanona amin’ny raharaha maha Papa azy, noho ny aretina sy ny harerahana loatra, izy izay mbola velona ankehitriny, dia nirosoana ny conclave nataon’ireo Kardinaly maneran-tany, ary izy no voasafidy ho Papa, ny 13 Martsa 2013. Teny fanevan’ny Papa Fransoà ny hoe “Mpamafy fiadanana sy fanantenana”. Ny tapaky ny febroary 2025 izy no nanomboka narary, ary naharitra iray volana mahery izy tany amin’ny hopitaly. Talohan’ny herinandro masina anefa, dia nivoaka ny Papa rehefa hita fa salama.
Papa Fransoà sy ny Fiangonana Katôlika eto Madagasikara
Nanamarika ny tantaran’ny Fiangonana Katôlika eto Madagasikara ny fitsidihan’ny Papa Fransoà, ny Septambra 2019. Fampianarana sy fitsidihana maro no nataony tamin’izany, hatramin’ny 08 septambra 2019. Taorian’io fitsidihany teto io, dia nisesy ny fanendrena ireo Evekan’i Madagasikara, ary Diosezy maro manerana ny Nosy no nisitraka izany. Tamin’ny herinandro masina teo, dia ny Mônsenera Marek Ochlak, avy amin’ny fikambanan’ny “Oblats de Marie Immaculée” no notendreny ho Evekan’ny Diôsezin’i Fenoarivo Atsinanana. Ity farany, izay lehibe Provensialin’ny “Oblats de Marie Immaculée” an’ny Provensin’i Pologne ankehitriny. Ny volana febroary 2025 teo ihany no nanatanterahan’ny iraka manokan’ny mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara tany Vatican. Tamin’izany no nihaonan’izy ireo tamin’ny Papa Fransoà farany, sy nandraisan’izy ireo toromarika avy aminy mikasika ny fampielezana ny finoana. Ny “Free Communication” dia miara-ory amin’ny Kristianina katôlika maneran-tany.
Nangonin’i Stanislas R.




