Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

RAY NIKAPOKA AN-JANANY: Voaheloka higadra telo taona sazy mihantona, miampy lamandy iray tapitrisa

Taorian’ny nitazomana vonjimaika tany am-ponja ny raim-pianakaviana nikapoka an-janany tetsy Soavimasoandro tapa-bolana lasa izay, nivoaka omaly ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha. Ity farany izay voasazy handoa lamandy sy nahazo sazy mihantona telo taona…

Araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, mahakasika ny tranga niseho nanoloana ny zazalahy kely iray izay novelesin-drainy tetsy Amboditanimena, Fokontany Soavimasoandro , voaheloka handoa lamandy iray tapitrisa ariary sy sazy mihantona telo taona ilay raim-pianakaviana. Afaka hivoaka ny fonja noho izany ny tenany ary hiverina amin’ny asany amin’ny andavanandro. Raha tsiahivina, ny fiparitahan’ny horonontsary iray tamin’ny tambazotran-tserasera naneho ny fibedesana nataon’io lehilahy  io  ny zanany lahy  kely  vao 11 taona monja, ny 14 desambra lasa teo no antony nitanana azy am-ponja. Fantatra tamin’izany fa fanitsiana io menaky ny ainy izay naditra fatratra io no nampisafoaka ny rainy kinanjo nisy nahatsikaritra izany. Teo no niparitraka tamin’ny tambazotran-tserasera ny zava-nitranga ary tonga teny ambany mason’ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ny polisim-pirenena CSP8  nijery ny zava-nisy  saingy tsy tratra tao intsony ilay raim-pianakaviana. Vokany, andro vitsy nikaroana azy, nanatona ny mpitandro filaminana ary nifona am-pahibemaso sy niaiky ny heloka vitany io lehilahy io ary izao niafara tamin’ny fanasaziana azy izao.

Tetsy ankilany, notanana eny amin’ny toby fitaizana sy fanitsiana ireo zaza nania ilay tovolahy kely 11 taona zanany. Io fepetra io izay noraisin’ny teo anivon’ny manam-pahefana hahafahana mampianatra sy manitsy io zazalahy kely io. Ny fiovaovan’ity farany sekoly vokatry ny ditrany mantsy nahatonga ny fahatezeran’ny rainy ka niafara tamin’ny fikapohana azy.

Tranga niteraka adihevitra…

Amin’izao fotoana izao, mitombo izay tsy izy ny ditran’ny ankizy manoloana ny firoboroboan’ny fanatontoloana. Mitaraina noho izany ireo ray aman-dreny satria tsapa ny fahasahiranana eo amin’ny sehatry ny  fitaizana raha oharina amin’ny taloha. Araky ny zava-nisy hatramin’izay dia nampiharina hatrany ilay fomba fiteny ny ntaolo fahiny manao hoe “Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsan-kazo”.  Tsikaritra fa sarotra ho an’ny ray aman-dreny tanteraka anefa ankehitriny ny manainga tanana hibedy ireo menaky ny ainy. Manampy trotraka izany, ny fitsarana ara-moraly asehon’ny eo anivon’ny  fiarahamonina izay heverina ho marina matetika. Tsy ny fikasihan-tanana ny ankizy anefa no raràn’ny lalàna fa ny fanaovana izany diso tafahoatra. Tsiahivina  fa ho an’ity tranga teny Soavimasoandro ity, ny fikasihan-tanana diso tafahoatra sy ny famonoana nihatra tamin’ilay ankizy no nanagadrana ny rainy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Fermer