PolitikaSongadim-baovao

RAZANAMAHASOA CHRISTINE : « Fitaovana mahomby indrindra amin’ny fampandrosoana ny vehivavy »

Efa an-taonany maro no nitakiana ny miralenta raha ho antsika eto Madagasikara manokana no asianteny. Efa manomboka hita taratra izany ankehitriny, indrindra nandritra ity Fitondrana mijoro ankehitriny izao, tamin’ny fametrahan’ny Filoha fitokisana ireo vehivavy malagasy manam-pahaizana maro, handray andraikitra ambony eto amin’ny firenena. Omaly, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Hôtel Carlton ny fametrahana ny tambazotran’ny vehivavy mpitarika afrikana ho an’ny eto Madagasikara. Tambazotra izay entina ho fanentanana ny vehivavy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro toy ny fandraharahana, ny tontolo politika, ny fahaiza-mitarika, ny ara-tsosialy, sy ny sisa.

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Antenimierampirena, Ramatoa Razanamahasoa Christine. Nandritra ny lahateny nataony, nilaza Razanamahasoa Christine fa  « ny vehivavy no fitaovana mahomby indrindra amin’ny fampandrosoana ». Fotoana izay nilaza fa mbola misy Faritra eto Madagasikara marisarisa amin’ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy amin’ny lafiny politika. Na izany aza, naneho ny fankasitrahana ny ezaka vitan’ny vehivavy eo amin’ny sehatra rezionaly, nasionaly ary iraisampirenena ny tenany. Tsy nanadino ny nisaotra ny ezaka vitan’ny vehivavy malagasy ihany koa izy. Niresaka mikasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Araka izany, nohamafisin-dRamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny nataony fa mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 𝐓𝐚𝐦𝐛𝐚𝐳𝐨𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐭𝐚𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚.

Fahasahian’ny vehivavy mandray andraikitra

Tsara marihina fa anisan’ireo voatendry hijoro vavolombelona nandritra ny lanonana omaly, ny Solombavambahoaka voafidy tao Soavinandriana, Ramatoa Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa. Nandritra izany no nilazany ny ezaka sy lalan-tsarotra nodiaviny amin’ny maha-vehivavy ny tenany. Tetsy ankilany, nivoitra nandritra ireo lahateny samihafa ny fahafahan’ny vehivavy manova sy mitondra fampandrosoana koa ilaina indrindra ny famporisihina azy ireo amin’izany.

T𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐡𝐢𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐡𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐓𝐬𝐨𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐕𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 ny lanonana omaly, izay 𝐧𝐨𝐭𝐚𝐫𝐢𝐡𝐢𝐧-𝐝𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐒𝐞𝐤𝐫𝐞𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐀nnick 𝐆𝐢𝐥𝐛𝐞𝐫𝐭𝐞, 𝐧𝐢𝐬𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐝𝐑𝐚𝐦𝐚𝐭𝐨𝐚 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐌ichelle 𝐁𝐚𝐯𝐲 𝐀𝐧𝐠𝐞𝐥𝐢𝐜𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐤𝐚 𝐧𝐨𝐭𝐫𝐨𝐧𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐤𝐚𝐣𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐚𝐝𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐤𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐆𝐨𝐯𝐞𝐫𝐧𝐞𝐦𝐚𝐧𝐭𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐢𝐦𝐢𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐒𝐨𝐥𝐨𝐦𝐛𝐚𝐯𝐚𝐦𝐛𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚. Tamin’ny ankapobeny, nanamarika izao hetsika izao ny fijoroana vavolombelona maneho ireo dingana nolalovana ary ny fahasahian’ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny maha mpitarika mba hanatsarana sy ho fampivoarana ny zony ary hahafahany mandray anjara amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaha miankina na tsy miankina eo anivon’ny firenena.

Fermer