PolitikaSongadim-baovao
RAZANAMAHASOA CHRISTINE SY NY FFKM: Miketrika mafy ny hisian’ny tetezamita
Nisy omaly ny fandraisan-dRamatoa Razanamahasoa Christine, Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ireo olona vitsivitsy mitonona ho Raiamandreny eto amin’ny firenena, isan’izany ny FFKM, ireo Kandidà Filoham-pirenena teny Tsimbazaza. Fihaonana izay ambaran’izy ireo fa tafiditra ao anatin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny savorovoro misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Fanontaniana mby ao an-tsaina voalohany aloha dia hoe fahefana avy aiza, ary lalàna inona no hahafahan-dRamatoa Razanamahasoa Christine manao fampivoriana Kandidà tahaka izany? Raha misy ve rafitra ara-dalàna afaka mampivory ny Kandidà Filoham-pirenena amina sehatra ifanakalozana dia tsy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ? Etsy ankilany, fanamarihana apetraky ny mpanara-baovao hatrany ny hoe tsy misy krizy eto fa fanakorontanana ny zotram-pifidianana no misy. Ireo Kandidà 10 minia tsy manao fampielezan-kevitra fa mitarika olona hidina an-dalambe no fototry ny fanakorontanana ankehitriny. Izy ireo izay efa nanaiky ny hirotsa-kofidiana, nanaiky ny nandoa ny anto-bola, nanaiky ny handray ny laharana ofisialy ao amin’ny Biletà tokana, kanefa izao mivadika mpitarika vahoaka manohitra ny fifidianana izao indray. Amin’izao fotoana, dia ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena mihitsy no mirotsaka mitarika ny voalaza fa dinika hikaroham-bahaolana manoloana izany. Mazava ho azy, tsy maintsy any amin’ny resaka fiaraha-mitantana sy ny tetezamita no hiafaran’izany, sa izany mihitsy no tanjona? Ny fanehoan-kevitra sasany aza moa dia milaza mihitsy fa te hitondra tetezamita mihitsy Ramatoa Razanamahasoa Christine.
Tsy misy manamarina ny firosoana amin’izany mihitsy anefa hatreto. Efa voafaritry ny Lalàmpanorenana fa amin’ity taona ity i Madagasikara no mifidy Filoham-pirenena. Efa tany amin’ny dimy taona lasa no niomana ho amin’izany ny rehetra. Tsy mitombina mihitsy, noho izany, ny fanambarana mangataka ny fanemorana fifidianana amin’izao 7 andro mialohan’ny fandrotsaham-bato izao, satria mivoaka ny Lalàmpanorenana izany. Araka ny fantatra dia amin’ity anio ity Razanamahasoa Christine sy ny avy amin’ny FFKM miaraka amin’ireo voalaza fa Raiamandreny ireo no hanao fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena.
Ny Fanoratana.




