PolitikaSongadim-baovao

RAZANAMAHASOA CHRISTINE: « Zava-dehibe ny fanendrena depiote ao anaty Governemanta »

Nandritra ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Solombavambahoaka no nanaovan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, jery todika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Tafiditra tao anatin’ireo noresahany omaly ny mahakasika ny fanendrena ireo mpikambana ao anaty Governemanta farany teo. Velom-pisaorana ny Filoham-pirenena ity tompon’andraikitra tamin’ny nanendrena ny Solombavambahoakan’i Fenoarivo Atsinanana ho minisitry ny Mponina. « Zava-dehibe ny fanendrena depiote ao amin’ny Governemanta », hoy izy. Araka ny fanazavany, isany manamafy ny maha ara-drariny ny governemanta eo anatrehan’ny vahoaka izany. Ary koa, mitarika fahamarinan-toeran’ny governemanta, izay mifantoka amin’ny asa fampandrosoana. Amin’ny maha olom-boafidy ny Depiote, dia nahazo ny fankasitrahan’ny vahoaka izy ireny. Mahaza ho azy, araka izany, fa antoka amin’ny fankasitrahan’ny vahoaka ny fahefana mpanatanteraka ny fisiana solombavambahoaka ao anatin’ny Governemanta. Eo anatrehan’izany, nanambara ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena fa tokony hisy olona avy amin’ity Andrimpanjakana ity hatrany ao amin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, amin’ny fanendrena rehetra mety mbola hisy amin’ny manaraka.

Fermer