PolitikaSongadim-baovao

RENIVOHITRA MADIO SY MILAMINA : Efa manomboka hita soritra, tsy mihemotra ireo asa efa natomboky ny Kaominina

Vao volana vitsy monja izao no nanombohan’ny fotoam-piasan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra vaovao. Ankehitriny anefa, dia hita soritra sahady ny ezaka nimatimatesana fanarenana sy fanatsarana ny Renivohitra ity. Teo ny ezaky ny Fiadidiana ny tanàna, fa teo koa ny fiaraha-mientan’ireo departemanta sy ny isaky ny Boriborintany, ary ny isam-pokontany niara-nisalahy amin’izany. Mitohy ary tsy hijanona intsony izany, hoy Ramatoa Ben’ny tanàna…

Natomboka ny fanadiovana, ny fanatsarana ary ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hatramin’ny naha Filohan’ny delegasion’ny tanànan’Antananarivo azy, ka mitohy amin’izao maha Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka azy izao, dia Ramatoa Ramanantsoa Harilala. Netsehina avokoa ireo Fitaleavana rehetra miara-miasa aminy, ka amin’izao fotoana dia nahitam-bokany izany, na dia amin’ny ampahany ihany aza, satria manomboka hita soritra ny maha tanàn-dehibe Renivohitr’i Madagasikara azy. Ny teo anivon’ny Fitaleavan’ny fanadiovana, dia maro ireo ezaka vita sy mbola tohizina, dia ny fanalana ireo bozaka amam-pasika eny amin’ny arabe, izay mampiasa olona 300 avy amin’ny kaominina, ary tato anaty andro vitsivitsy dia olona 4000 no niara-nisalahy tamin’izany, satria teo ny fanampian’ny avy amina departemanta samihafa sy ny isam-pokontany. Voaloko ny trano talaky maso, voadio ny arabe, sy ny sisa. Teo anivon’ny Fitaleavan’ny Fanajariana ny tanàn-dehibe kosa indray, dia efa amin’ny endriny vaovao ireo zaridaina, “espace vert”, takelaka famantarana sns. Eo am-panalana ireo takelaka sy afisy tsy ara-dalàna ankehitriny ny kaominina, no manentana ireo voakasika mba hanara-dalàna. Ny Fitaleavan’ny Asa vaventy eo anivon’ny kaominina indray, dia voaloko sy voakarakara ny “rond point” rehetra, mitohy ny fanamboaran-dalana, ary efa manakaiky ho vita raha ny eto Antananarivo Renivohitra. Na izany aza, entanina hatrany ny rehetra hanaja ny fahadiovana, ka hanatona ireo dabam-pako, ary hanaja ny ora fanariana izany ho an’ny isan-tokantrano. Raràna ny fandiovana fiara an-dalambe, ary hentitra amin’ny havoretran’ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana ny kaominina.

Fandokoana mari-pamantarana, 65% no efa vita

Ho an’ny Orinasa monisipaly misahana ny fanamboarana ireo fitaovam-pitaterana eo anivon’ny Kaominina (SMEV) kosa indray, dia misahana ny fandokoana ireo toeram-piampitan’ny mpandeha an-tongotra sy ny sisin’ny “trottoir”. Ny 65%-n’izany no efa vita manerana ny Renivohitra. Anisan’izany ny eny Araben’ny Fahaleovan-tena sy Analakely rehetra iny, toy ny amin’ny toerana samihafa. Tanjona amin’ity dia ny fisorohana ny loza an-dalambe ho an’ny mpandeha an-tongotra. Ho an’ny Fitaleavan’ny fiantsonan’ny fiara eto an-dRenivohitra, dia manomboka ny fanalana ireo fiara tsy mandeha intsony miteraka loto sy fibahanana. Torak’izany ireo fiarabe mandeha, saingy miantsona ela amoron-dalana. Misokatra ho an’ny rehetra amin’izao fotoana ny fanavaozana ny fifanarahana momba ny toeram-piantsonan’ny fiara. Raha ny Fitaleavan’ny Fitaterana sy ny fandrindrana fifamoivoizana an-dRenivohitra, dia nanamafy fa misy fotoana ny fandehanan’ny fiarabe sy sarety eto an-dRenivohitra. Ny fitaterana fitaovam-panamboarana goavana dia mila fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina raha misy asa maika. Miasa andro sy alina mijirika ny fandikan-dalàna ny Kaominina, saingy hanentanana ny rehetra hanaraka ny lamina. Ny vondron’ny Polisy monisipaly moa, dia miandraikitra ny fiantohana ny fiarovana ny Lapan’ny tanàna sy ireo Boriborintany 06, ny filaminam-bahoaka sy ny fanabeazana maha olom-pirenena an-dalana, iarahany amin’ny Polisim-pirenena. Manampy amin’ny fampiharan-dalàna. Mitohy ny ezaky ny Fitaleavan’ny tsena, ny fanalalahana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra sy ny fametrahana mpivarotra ara-dalàna amin’ny toerany, ary ny fanafoanana ireo tsy ara-dalàna.

Manoloana ny fandraisantsika ny fihaonana an-tampony COI ny 24 aprily ho avy izao, sy ny fandraisana ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron, ny 23 aprily 2025, izay hanao fitsidihana manokana ny Filoha malagasy dia misy ireo fepetra momba ny fifamoivoizana tsy maintsy arahin’ny rehetra, toy ny fahatapahan-dalana tsy maharitra manoloana ny fandalovan’ny Filoham-panjakana rehetra sy ireo delegasiona miaraka aminy. Manetana ny rehetra mponin’Antananarivo Renivohitra ny Ben’ny tanàna mba hanehoan’ny rehetra ny fahaiza-mandray vahiny. Torak’izany ny fotoan’ny Fetin’ny Paka, izay anentany ny fahaiza-miain’ny rehetra hanaja ny fotodrafitrasa sy ny fahadiovana eny rehetra eny.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer