PolitikaSongadim-baovao
« REQUISITION »-N’NY HAINO AMAN-JERY: Tsy misy fanararaotana ataon’ny Fanjakana mihitsy
Tsy tokony hatao antony hanenjehana ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanaovana “requisition” ny haino aman-jery, satria izany no fanarahana ny lalàn’ny vanim-potoan’ny Hamehana. Efa mazava ny voafaritry ny lalàna, fa tsy misy hoe fanararaotana ataon’ny Fanjakana akory. Ny fiainam-pirenena rehetra mitranga ao anatin’ny fotoan’ny Hamehana dia mendrika hitondrana fanazavana avokoa, toy izay efa natao hatramin’ny volana marsa teo.
Adihevitra diso ny filazana fa manararaotra manao fampielezan-kevitra na miresaka politika ny Filoham-pirenena na ny Praiminisitra, mandritra ny fandaharana manokana isaky ny tapa-bolana. Ny tsara hitondrana fanazavana dia ny mbola fitoeran’ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tany sy ny firenena no mbola hisian’ny fanaovana “requisition” ireo haino aman-jery tsy mainkina. “Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia manamafy fa ny fanaovana ny « réquisition » ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara dia fepetra takin’ny lalàna manan-kery, araka ny voalazan’ny andininy faha-7 ao amin’ny lalàna laharana faha-91-011 tamin’ny 18 Jolay 1991 mifehy ny hamehana eto amin’ny firenena”, io no fampitam-baovao navoakan’ny Minisisteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, afakomaly. Izany hoe, ny Hamehana ara-pahasalamana no mbola mampisy ireny fandaharana manokana rehetra ireny, na izany ireo mandeha isanandro hitondrana ny antontanisa, na ireo mandeha isaky ny 15 andro. Ny zavatra miseho eto amin’ny tany sy ny firenena rehetra ankehitriny dia tafiditra ao anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana avokoa, isika rahateo mbola anaty “Etat d’urgence sanitaire”. Dikany, rariny ny Filoham-pirenena raha mitondra fanazavana amin’izay zava-mitranga eto amin’ny firenena ao anatin’izay hodidina izay.
Fifidianana Loholona sy Kere any Atsimo
Isany nitondran’ny mpanohitra fanakianana, ohatra, ny niresahan’ny Praiminisitra resaka fifidianana ho Loholon’I Madagasikara, nandritra ny fandaharana manokana izay nataony. Misy milaza hoe ka tsy tokony vaovao manodidina ny Covid-19 ihany ve no resahana ao? Ka tsy fanararaotana ve izany? Ny zavatra tiana ho tsipihana anefa dia miseho ato anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana ilay fanomanana ny fifidianana Loholona. Vanim-potoan’ny Hamehana izay anisany lehibe mahatonga ilay fandaharana manokana. Rariny, araka izany, raha mitondra fanazavana manodidina izany ny tenany. Izy rahateo lehibena Governemanta, ka tsara toerana amin’ny fitondrana fanazavana izay mety ho fiainam-pirenena. Mbola toy izany koa ny momba ny Filohan’ny Repoblika izay niresaka ny mahakasika ny Kere any atsimon’ny Nosy. Hatao ahoana no tsy hiresaka ireny zava-misy any an-toerana ireny? Isika rahateo ao anaty Hamehana, ary ireny zavatra ireny dia niseho nandritra ny vanim-potoan’ny Hamehana. Tsara toerana koa ny Filohan’ny Repoblika hitondra resaka na fanazavana mahakasika ireny tranga any atsimo ireny. Tsara tsindriana hatrany fa tsy misy fanararaotana velively izany, fa fitondram-panazavana mahakasika ny fiainam-pirenena, ao anatin’ny vanim-potoan’ny Hamehana fotsiny ihany no atao.
Mitovy amin’ny tompon’andraikitra rehetra ihany
Ireny tranga ireny anie mitovy amin’ny minisitra iray na tompon’andraikitra miakatra ao amin’ny fandaharana isanandro hitondrana ny antontanisa ihany e. Ireny tompon’andraikitra ireny indraindray tsy voakasika mivantana amin’ny resaka Covid-19 akory. Fa noho ny resaka fizahantany na ny fampianarana, ohatra, voakitikitika ao anatin’izao “Etat d’urgence” hiainantsika izao dia mitsangana izy ireo mitondra fanazavana. Tsy misy hafa amin’izany ny ataon’ny Filoha na ny Praiminisitra isaky ny fandaharana iarahana amin’izy ireo isaky ny tapabolana, fa tsy misy hoe fanararaotana akory.




