PolitikaSongadim-baovao
RESABE MOMBA NY ZOM-PIRENENA : Tsy marina ny filazana fa nampiantsoan’ny Fitsarana ny Filoha Rajoelina
Nandiso ny vaovao niely tany amin’ny tambazotran-tserasera sy ny fampahalalam-baovao sasantsasany omaly ny Toniam-pampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona. Nambarany fa tsy nanao fampiantsoana na “Assignation” ny Filohan’ny Repoblika malagasy izy ireo, ary diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana fampiantsoana nosoniavina ka nalefa teny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny Filohan’ny Repoblika.
Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny fampahalalam-baovao samihafa teto an-drenivohitra omaly fa hiakatra fitsarana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny 06 Septambra izao momba ny raharaha zom-pirenena izay nametrahan’ny avy amin’ny fanoherana fitoriana manenjika azy. Vaovao tsy marina izany, araka ny fanambarana nataon’ny Tonian’ny Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo omaly. Nambarany fa araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery, andininy faha-72 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, laharana faha-60.064 tamin’ny 22 Jolay 1960, dia « izahay tonian’ny mpampanoa lalàna irery ihany no omen’ny lalàna fahefana hanetsika ny fitsarana hanao fizahana na “constat” ny fananan’olona iray na tsia ny zom-pirenena Malagasy ».
« Izahay Mpampanoa lalàna dia tsy nanao fampiantsoana na “Assignation” ny Filohan’ny Repoblika malagasy, ka noho izany dia diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny Filohan’ny Repoblika tenany », hoy ny fanambarana.
Tsara ho fantatra fa araka ny voalazan’ny andininy faha-76 ao amin’ny fehezan-dalàna ihany, dia tsy maintsy misy dika mitovy momba ny “assignation” na ny fitoriana apetraka eny anivon’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana. « Izahay Tonian’ny Mpampanoa lalàna dia manambara ihany koa fa tsy nisy izany. Fehiny, tsy misy “assignation” velively nataonay Tonian’ny mpampanoa lalàna, ny resaka hafa rehetra mifanohitra amin’izany dia fanelezana vaovao tsy marina izay enjehin’ny didy aman -dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena », hoy hatrany ny fanambarana.


