PolitikaSongadim-baovao
RESABE MOMBA NY ZOM-PIRENEN’NY FILOHA : « Tahotra fifidianana ny fivoizana izany », hoy ireo Mpitarika TGV
Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo Mpitarika ny Antoko Tanora Malagasy Vonona (TGV) eto Antananarivo, notarihin’ny Sekretera Nasionaly, Hery Rasoamaromaka, manoloana ny resabe voizin’ny mpanohitra ankehitriny mahakasika ny fananan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, ny zom-pirenena frantsay. Notsindrian’i Hery Rasoamaromaka, izay sady Governoran’Analamanga, fa adihevitra diso ny resaka zom-pirenen’ny Filoha. Efa nitondra fanazavana mahakasika izany ny Minisitry ny Fitsarana, hoy izy, fa tsy mbola nanaisotra ny zom-pirenena maha Malagasy azy ny andriamatoa Andry Rajoelina. Noho izany, mbola teratany malagasy feno.
Notsindrian’ny Depiote Aina Rafenomanantsoa (Anyah), fa raha araka ny lalàna dia tsy mbola very ny zompirenena maha malagasy ny Filoham-pirenena. Ny Lalàmpanorenana koa dia milaza fa izay manana zompirenena malagasy dia afaka milatsaka Filoham-pirenena. Dikany, resaka tsy mitombina sady miharo fanakorontanana fotsiny no miseho ankehitriny. Nahitsy mihitsy aza ny mpitarika ny TGV avy ao amin’ny boriborintany fahadimy raha nilaza fa tahotra fifidianana ny an’ny mpanohitra sasany. Efa voaporofo teo amin’ny tantara mantsy, hoy izy, fa tsy mbola nisy naharesy ny Filoha izany, raha fifidianana no resaka. “Fony izy tsy mbola teo amin’ny Fitondrana aza dia efa ireny ny voka-dalao maika fa izy efa nahavita zavatra be dia be ireo???”, hoy ny Depioten’ny boriborintany fahadimy.




