PolitikaSongadim-baovao
RESABE MOMBA NY ZOM-PIRENEN’NY FILOHA : Tsy azo ivalozana ny didin’ny HCC, tokony hifarana hatreo ny adihevitra momba izany
Nitondra ny fomba fijeriny sy ny fanehoan-keviny mifandraika amin’ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) momba ny resaka Zom-pirenena ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly. Nambarany fa didim-pitsarana iny nivoaka iny. Voasoritra mazava ao anatin’izany ny andininy faha-55 ao anatin’ny fehezan-dalàna mifehy ny resaka zom-pirenena izay milaza fa ny fahefana mpanatanteraka no mamoaka didim-panjakana mikasika ny fanomezana sy fahaverezana fizakana zom-pirenena malagasy. Noho ny fanajana ny fisaraham-pahefana, dia tsy afaka mitsabaka mihitsy amin’ny resaka fanomezana na fahaverezana fizakana zom-pirenena ny fahefana mpitsara. Tsy misy, hoy ny HCC, fahefana mpitsara afaka maka ny toeran’ny mpanatanteraka ao anatin’ity raharaha ity.
Nambaran’ny HCC ihany koa fa efa dila ny fotoana tokony hanaovana azy ny fitoriana napetraky ny mpitory. Araka ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana mantsy dia roa andro aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana tsy ofisialy ataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), no hahafahana manao ny fitoriana. “Aminay dia olana tokony tsy hipetraka ary adihevitra tsy tokony hisy ny resaka zom-pirenena fa fitia te hanakorontana an’ilay zotram-pifidianana no natao. Tsara ho fantatra fa tsy azo ivalozana ny Didy avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Noho izany, matoa namoaka ny HCC tamin’izany fa isan’ny kandida andriamatoa Andry Rajoelina dia tsy azo iadian-kevitra izay fa nahafeno ny fepetra izy”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy.
Etsy ankilany, manoloana ny fanambaran’ny mpanohitra fa izao vao fantatra ny fizakan’ny Filoha Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay, dia nazava ny nambaran’ny HCC fa ilay didim-panjakana mamoaka ny fizakana zom-pirenena frantsay dia efa tamin’ny novambra 2014, ary nivoaka tamin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika frantsay. Tsy mitombina mihitsy, araka izany, ny filazana hoe nafenina io fizakana zom-pirenena io, satria azon’ny rehetra idirana sy jerena ny gazetim-panjakana, raha ny fanamafisana ny nataon’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Ity farany izay nanao antso amin’ny mpisehatra politika rehetra mba hamela ny mpitsara hanao ny asany ankalalahana. Ary nilaza ihany koa fa tokony hifarana hatreo ny fanaovana resabe ny momba ny zom-pirenen’ny Filoha.




