Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA ANY TOAMASINA: Miato ny fampianarana, mitsahatra ny fampiasana ny lalam-pirenena

Nitombo hery ka lasa rivodoza ary nomena ny anarana FAIDA ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe Indiana, omaly tamin’ny 08 ora maraina. Omaly tamin’ny 07 ora hariva kosa, dia tany amin’ny 156 km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. Manana tanjaka “Tempête Tropicale Modérée” io rivodoza io tamin’ity ora farany naharaisana vaovao ity, izany hoe miaraka amin’ny rivotra 70 km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miankandrefana hatrany izy, ary mahafaka 10 km/ora. Raha ny vinavina dia hiditra an-tanety anio maraina izy eo anelanelan’ny Distrikan’i Sainte Marie sy Brickaville. Araka izany, dia efa mitoetra ny rotsak’orana amin’ny faritra Afovoany Atsinanana iny.

Hiakatra ny rano amina renirano maro

Nohon’ny fisian’ity rivodoza FAIDA ao amin’ny Ranomasimbe Indiana ity, izay voavinavina hiditra an-tanety anio maraina, dia manaitra sahady ny fahamailoan’ny mponina amin’ny mety ho fiakaran’ny rano amin’ireo renirano anatin’ny Faritra sy ny Distrika holalovany sahady ny eo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Ireo renirano voakasik’izany dia ny reniranon’i Rianila, Ivondro, Onibe, Maningory, Mananara du Nord, Antainambalana, Betsiboka, Sofia, Mahavavy Sud sy Mahajamba, ‘mbamin’ireo faritra iva.

Fiatoan’ny fampianarana

Mikija ny orana any Toamasina, raha ny tatitra avy any an-toerana omaly alina. Mifofofofo ny rivotra ary tapaka ihany koa ny herinaratra. Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza FAIDA no anton’ireo. Noho izany, noraisina ny fepetra amin’ny fampihatoana ny fampianarana ao amin’ny farim-piadidiam-pampianarana Atsinanana, nanomboka omaly tolak’andro. Tsy hiverina an-tsekoly ireo mpianatra raha tsy efa hita sy tsapa fa mihatsara ny andro ary mihena ny rano. Io no tapaky ny fivoriana niarahana tamin’ny CRGRC omaly, notarihin’ny prefen’i Toamasina. Izany no natao dia ny mba hisorohana amin’ny loza mety hitranga noho ny fandalovan’ny rivodoza.

Ankoatra io, mitsahatra ihany koa ny fampiasana ny lalam-pirenena. Nandray fanapahan-kevitra hampitsahatra ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra olona sy mpitatitra entana ary ireo fiara rehetra tsy ankanavaka ny talem-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro Atsinanana. Nihatra nanomboka omaly io fepetra io ary voakasik’izany ny lalam-pirenena faharoa (RN2)  fahadimy (RN5) ary ny faha-11A (RN11A). Miverina misokatra kosa izany arakaraka ny fivoaran’ny toetr’andro, rehefa afaka amin’ny filazana miloko mena ny Faritra Atsinanana, ary koa miankina amin’ny fahatomombanan’ny fotodrafitrasan’ny lalana. “Noraisina izao fepetra izao mba hisorohana ny loza mety hitranga ary koa ho fiarovana ny ain’ny mpandeha sy ny mpamily”, hoy ny fampahafantarana.

Ho fiatrehana hatrany izay rivodoza izay, efa vonona amin’ny fandraisana ireo olona te hifindra toerana ireo toby natokana ho amin’izany any Toamasina. Afaka mandray ireo olona traboina any an-toerana ny ao amin’ny Gymnase Soavita, Dojo Soavita, Foyer Sociale Canada, CJST, ary ny Salle d’oeuvre Sainte Thérèse.

Stan R. sy Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer