Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA BATSIRAI : 19 amin’ny Faritra 23 eto Madagasikara no ho voakasika
“Izay tsara fiomanana tsy ho tampoin’ny loza" hoy ny Praiminisitra Lehiben'ny Governementa nandritra ny fandraisam-pitenenany tany Mananjary omaly. Maka lesona isika ary tsy hiandry voadona vao handray andraikitra, hoy hatrany izy. Noho izany indrindra no anton-diany tany amin’ny tapany Atsinanan’ny Nosy iny omaly, hametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany. Ny rivodoza Batsirai rahateo izay manana velarana hatrany amin’ny 480km, ka hahakasika Faritra 19 eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny teknisianina.
Tamin’ny 03ora tolakandro omaly dia tany amin’ny 671 Km atsinanan’i Vatomandry no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai. 165 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 235 Km/ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 07 Km/ora. Manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ary hiditra an- tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny Sabotsy 05 Febroary 2022, eo anelanelan’ny amin’ny 08 ora maraina sy mitatao vovonana. Tombanana ho rivodoza mahery vaika izy amin’izay fotoana izay ka hahatratra 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, hoy ny avy eo anivon’ny foibe mpamantatra ny toetrandro. Hamakivaky ny afovoan-tany izy ary tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny lakandranon’i Mozambika, any amin’ny tapany atsimon’ny faritra Menabe ny Alahady 06 Febroary 2022.
Araka ny fanazavana hatrany, Faritra miisa 19 amin’ireo Faritra 23 eto Madagasikara no ho voakasik’ity rivodoza ity. Izany hoe, hahakasika ny 82,60%n-n’ny velarantanin’I Madagasikara. Araka io tatitra omaly io dia tafiditra tao anatin’ny filazana loza manambana miloko mavo, ho an’ny omaly, ny Faritra Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe sy ny Distrikan’i Soanierana Ivongo, St Marie, Fenerive Est, Vavatenina, Amparafaravola, Ambatondrazaka. Filazana fanairana miloko maitso kosa ho an’ny Faritra Anosy, Menabe sy ny Distrikan’Antalaha, Maroantsetra, Mananara Nord, Mandritsara, Andilamena, Tsaratanana, Maevatanana, Antsalova, Beroroha, Sakaraha, Ankazoabo, Morombe, Toliara I-Ii, Betioky, Benenitra.
Hanomboka hikorontana ny toetry ny andro anio Zoma. Ahina mafy ny fahabetsahan’ny rotsakorana amin’ny Faritra rehetra holalovany, indrindra ny ilany atsinanana, atsimo-atsinanana sy ny afovoan-tany. Etsy andaniny, ahiana ihany koa ny mety ho fiarakaran’ny ranomasina manodidina ny toerana idirany an-tanety vokatry ny rivotra mafy entiny.
Nohamafisina ny fepetra ho an’ireo Distrika any amin’ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy
Manoloana ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny tokony hiomanana mialohan’ny loza dia tsy niandry ela ny Governemanta fa nidina ifotony avy hatrany tany amin’ireo morontsiraka heverina fa hidiran’ny rivodoza, dia ny Faritra Vatovavy, Fitovinany, ary Atsimo Atsinanana. Nitarika ny delegasiona ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, ka nanatanteraka dinikasa niarahana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny tao Mananjary ary tao Manakara. Nidera ny ezaka sy ny fepetra noraisin’ireo manampahefana any an-toerana ny tenany. Na izany aza anefa dia nisy ny dinikasa fanamafisana ny fiatrehana ity loza voajanahary ity. Nandritra izany no nisian’ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ireo olana mbola miseho ka nitadiavana vahaolana avy hatrany, toy ireo « site d’hébergement » mbola manana tsy fahatomombanana ara-teknika.
Noresahina, araka izany, ny fomba sy ny hetsika hoentina miaro ireo mpiray tanindrazana. Nojerena ihany koa ny fandaminana rehetra mikasika ireo toerana andraisana ireo traboina (toy ny tao amin’ny efitra lehiben’ny Fiangonana Katolika sy ny tranom-pokonolona ao Mananjary, ny EPP sy ny Lycée ny ao Manakara ), ary nodinihina ny fomba hanarenana ny mety ho fahasimbana mandritra ny fandalovan’ny rivodoza indrindra ny mety ho fahatapahan-dalana ka hampiato ny fifamezivezena.
Nambaran’ny Praiminisitra fa manetsika ireo rantsamangaika hahafahana miahy ny vahoaka mandritra ny fandalovan’i Batsirai ny Fitondram-panjakana. Efa misy ny rindran-damina napetraky ny ministeran’ny Asa vaventy hahafahana manarina ny fifamoivoizana faran’izay haingana raha sanatria misy ny fahatapahana. Manome tosika amin’ny fiatrehana ny fandalovan’ity rivodoza ity ihany koa ny avy amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Efa nalefa mialoha ireo fitaovana mety ho ilaina mandritra izay, ankoatra ireo « engins » nomena ny Faritra, toy ny sambo haingam-pandeha ahafahana miandriaka manoloana ny fiakaran’ny rano.




