Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA BATSIRAI: Nivoaka an-dranomasina tao amin’ny Distrikan’i Toliara II omaly hariva

Nivoaka an-dranomasina tao amin’ny lakan-dranon’I Mozambika ilay Rivodoza Batsirai omaly hariva, araka ny tatitry ny foibe mpamantatra ny toetry ny andro. Nihena ny heriny, raha toa ka nitombo ny hafainganam-pandehiny mianatsimo andrefana, izay nahafaka 28km/ora. Manodidina ny 55km/ora kosa ny rivotra entiny, eo amin’ny 60km/ora kosa ny tafiotra miaraka aminy.

Raha ny tatitry ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro, nivoaka an-dranomasina tamin’ny 07ora hariva omaly ilay rivodoza Batsirai. Tao Toliara II, 25km avaratr’I Toliara no nivoahany an-dranomasina. Manodidina ny 55km/ora ny rivotra entiny, ary eo amin’ny 60km/ora kosa ny tafiotra miaraka aminy. Mizotra manohy ny diany somary Atsimo andrefana izy ary mahafaka 28km/ora, araka ny tatitra hatrany. Mizotra manohy ny diany mianatsimo izy rehefa tafavoaka ny ranomasina, ary tsy ahina hatreto ny mety hiverenany aty an-tanety indray, fa hanohy ny diany an-dranomasina hatrany izy.

Araka izany, somary miadana ny fandehany rehefa tafavoaka an-dranomasina, ka mety mbola hanakorontana ny toetry ny andro any amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny ato anatin’ny roa andro ho avy. Na izany aza, tsy ho orambe izany no fiantraikan’izany, araka ny fanazavana hatrany.

Filazana miloko manga

“Tsara tsindriana fa ny ivony no mivoaka an-dranomasina fa ny rahona miaraka aminy mbola mitoetra ho an’ny afovoan-tany sy ny tapany atsimon’ny Nosy”, hoy hatrany ny Meteo. Voatazona, araka izany, ny filazana miloko manga, na filazana fahamailoana aorian’ny fandalovan’ny rivodoza. Tafiditra ao anatin’izany i Vatomandry, Mahanoro, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Morondava, Mahabo, Manja, Faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Anosy, Androy. Misy koa ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana, “filazana miloko mavo”, ho an’ny distrikan’I Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Morombe, Toliara I sy II, ary Sakaraha. Filazana miloko mena kosa izany ho an’ny Faritra Fitovinany , matsiatra ambony, Atsimo atsinanana, Iakora, Vohibe, Befotaka, ary hatrany Taolagnaro, izay mila mailo amin’ny fiakaran’ny rano na renirano, sy ny fihotsahan’ny tany.

Mbola hikorontana kosa anefa ny toetry ny andro eny an-dranomasina amin’ny morontsiraka Atsinanana, Atsimo sy Andrefana. “Iangaviana araka izany ny mpanjono sy ny mpitatitra amin’ireo morontsiraka ireo mbola tsy hiandriaka”, hoy ny fanazavana. Nampitandremin’ny Meteo ihany ireo mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana satria mitoetra ny talio. Etsy ankilany, tombanana ho levona amin’ity fiandohan’ny herinandro ity ilay rivodoza Cliff, vao niforona ny faran’ny herinandro teo.

Fermer