Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA DIKELEDI: Hitombo hery ka ho lasa rivodoza mahery, hiditra an-tanety rahampitso
Nahazo anarana ilay andro ratsy rehefa nahafeno fepetra ka lasa rivodoza. Dikeledi no anarana entiny amin’izao izy nahafeno fepetra izao. Hitombo hery hatrany izy ka ho lasa rivodoza mahery. Rahampitso tolakandro na ny alina izy no hiditra eo anelanelan’ny distrikan’Antsiranana sy Sambava…
Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro dia tany amin’ny 1278 Km atsinanan’ny distrikan’Antalaha no nisy ny foiben’ilay rivodoza Dikeledi. Raha hiverenana moa, dia nahazo hery ka lasa rivodoza sy naka ny anarana io, ity andro ratsy niforona tao amin’ny Ranomasimbe Indiana ity. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, omaly tolakandro io, ary arahina tafiotra 105 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary avaratra andrefana izy ka nahafaka 33 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy i DIKELEDI ny Sabotsy tolakandro na ny alina, eo anelanelan’ny distrikan’Antsiranana sy Sambava. Amin’izay fotoana izay, dia vinavinaina hiova ho rivodoza mahery izy na “Cyclone Tropical”, ka 130 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy.
Loza ahina…
Ahina noho izany, ny tondra-drano sy ny fiakaran’ny renirano, ary ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany avaratra manontolo iny, vokatry ny rotsak’orana betsaka izay mety hihoatra ny 100 mm anatin’ny 24ora mandritra ny fandalovan’i Dikeledi. Ahina ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy nohon’ny alon-drano mety hihoatra ny 07 metatra.
Mihatra ny filazana loza
Hatramin’ny omaly dia efa mihatra sahady ny filazana loza amin’ireo faritra sy distrika vitsivitsy ho voakasik’ity rivodoza ity. Tsy misy fiovana izany, ka ho an’ny Faritra Diana sy SAVA, Ambatosoa, Sofia sy Boeny, dia mihatra samy naharay filazana loza fanairana na miloko maitso avokoa. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Vatomandry dia tsy mahazo miandriaka intsony manomboka anio hariva mandra-pahalasan’ny loza. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy, manomboka ny sabotsy tolakandro. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony. Ny filazana loza fanairana moa, dia midika fampahafantarana 02 ka hatramin’ny 05 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza. Tsy azo atao intsony ny miandriaka, mila mioty sy mitahiry ny voly mba tsy ho simba, hamafisina ny trano sy tafon-trano, manao fantsona manakaiky ny trano mba hisorohana ny tondra-drano anaty tanàna. Mampilaza ny tompon’andraikitra raha mahita hazo mety hitera-doza, tehirizina amin’ny toerana azo antoka ny antontan-taratasy sarobidy sy fanafody. Mila manaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny rivodoza, ary mifampizara vaovao indrindra ami’nireo tsy mahazo izany sy ireo marefo.
Nangonin’i Stan R.




