RadioSongadim-baovao
RIVODOZA DIKELEDI: Nahakasika ny morontsiraka Atsimon’ny Nosy, ahina ny fisian’ny tondra-drano
Efa nandao an’i Madagasikara ilay rivodoza “CT Dikeledi” raha ny tombana nentin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 04 ora hariva. Talohan’izay anefa, izany hoe nanomboka omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, dia tany amin’ny 228km Andrefana somary Atsimo Andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny, ary lasa rivodoza mahery “Cyclone Tropical” indray izy tamin’izany. Niakatra ho 130km/ora ny rivotra niaraka taminy, narahina tafiotra 180km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka haingana i Dikeledi ary nianatsimo somary Atsimo Atsinanana ny diany, ary nahafaka 38km/ora. Araka izany, nandalo tany amin’ny manodidina ny 180km miala ny morontsiraka Atsimo Andrefana izy hatramin’ny omaly hariva sy ny alina tontolo, ary izao izy nanalavitra ny morontsiraka Atsimon’ny Nosy izao, nanomboka androany vao maraim-be. Raha ny tomban’ny Météo malagasy omaly, dia hitondra rotsak’orana betsaka tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana izy nandritra ny alina, izay mety hiteraka fiakaran’ny renirano sy tondra-drano amin’ireo toerana marefo, ary ranon-trambo sy fihotsahan’ny tany. Nisy moa ireo Distrika naharay filazana loza manambana miloko mavo, dia ny tao Morombe, Toliara I sy II, Ampanihy Andrefana, ary Beloha sy Tsihombe. Raha ny tomban’ny mety ho toetry ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy kosa, dia hitoetra ny oram-baratra saika manerana ny Nosy, ankoatra ny faritra afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana.
7 028 ireo traboina…
Hatramin’ny omaly tamin’ny 11 ora antoandro, dia mahatratra 7 028 ireo traboin’ny rivodoza Dikeledi ity tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy iny. 3 809 ny tao amin’ny faritra Diana, 3 203 ao SAVA, 11 Analanjirofo, ary 05 Sofia. Nijanona ho telo hatrany ireo namoy ny ainy, izay efa notaterina teto hatrany. Raha ny fahavoazana ara-poto-drafitrasa indray, dia trano hatramin’ny 1 185 no dibo-drano, 1 092 nahitam-pahavoazana, ary 209 simba tanteraka. 82 ny efitrano fianarana voakorontana tanteraka, 72 nahitam-pahasimbana tamin’ny ampahany, 98 kosa no simba tanteraka.



